Hijery ny anatiny

Ireo rahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana nandray anjara tamin’ilay lahatenin’ny Fahatsiarovana: Ny Rahalahy Gerrit Lösch (havia), ny Rahalahy Samuel Herd (ambony havanana), ary ny Rahalahy Mark Sanderson (ambany havanana)

20 APRILY 2021
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Fahatsiarovana 2021: Betela Maneran-tany

Fahatsiarovana 2021: Betela Maneran-tany

Nomena mofo sy divay ny Betelita any Warwick, Etazonia

Nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy niaraka tamin’ny fiangonany avy ny Betelita rehetra maneran-tany, tamin’ny 27 Martsa 2021. Nanao lahatenin’ny Fahatsiarovana tamin’ny alalan’ny vidéoconférence ny sasany tamin’izy ireo.

Hoatran’ny tamin’ny taona 2020, dia mbola nisy lahatenin’ny Fahatsiarovana natao tao amin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Afaka nijery azy io ny fianakavian’ny Betela tany Etazonia. Ny Rahalahy Gerrit Lösch anisan’ny Filan-kevi-pitantanana no nanao an’ilay lahateny.

Ireto ambany ireto ny sarin’ny mpiara-manompo amintsika tany amin’ny Betela samihafa maneran-tany. Nanaraka an’ity didin’i Jesosy ity izy ireo: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.”—Lioka 22:19.

 

Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah

Sampan’i Aostralazia

Mpandika teny mitokana any Bangladesy

Biraon’ny fandikan-teny mitokana any Kambôdza

Sampan’i Cameroun

Sampan’i Eoropa Afovoany

Sampan’i Afrika Atsinanana

Sampan’i Italia

Sampan’i Kazakhstan

Biraon’ny komitin’ny tany any Népal

Sampan’i Afrika Atsimo

Sampan’i Sri Lanka

Sampan’i Etazonia