Hijery ny anatiny

11 OKTOBRA 2019
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Famintinana ny Fivoriana Fanao Isan-taona 2019

Famintinana ny Fivoriana Fanao Isan-taona 2019

Natao tamin’ny asabotsy 5 Oktobra 2019, tao amin’ny Efitrano Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Newburgh, Etazonia, ny fivoriana isan-taona fanaon’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania. Nanao fandaharana ara-panahy mampahery ny Filan-kevi-pitantanana, taorian’ilay fivoriana, ary 20679 ny mpanatrika, anisan’izany ireo nanaraka an’ilay fandaharana tany an-toeran-kafa. Toy izao ny famintinana ny anjara tsirairay: a

“Iray ny Mpitarika Anareo, dia i Kristy”

Ny Rahalahy Gerrit Lösch no mpitari-draharaha. Izy no nanao ny lahateny fanokafana, miorina amin’ny Matio 23:10. Mampahatsiahy antsika ilay lahateny hoe i Jesosy Kristy no mpitarika antsika fa tsy olona.

Mampiasa Antsika i Jehovah mba Hanampiana ny Tra-boina

Nohazavain’ny Rahalahy Stephen Lett hoe tena ilaina ny manome amim-pifaliana. Azontsika aseho hoe malala-tanana isika rehefa manampy tra-boina, ary anisan’ny fanompoana izany. Noresahin’ny Rahalahy Lett ny fahasimbana nateraky ny hetraketraky ny natiora sy ny fanampiana tra-boina nataontsika tamin’ny taom-panompoana 2018 sy 2019. Rahalahy sy anabavy 900000 mahery no niharan’ireny loza ireny, Efitrano Fanjakana 700 mahery sy trano 15000 mahery ipetrahan’ny mpiara-manompo no simba na rava. Nandany 49500000 dolara ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampiana ny tra-boina.

Nisy video maromaro tamin’ilay lahateny, ary naseho tamin’ireny ny fankasitrahan’ny mpitory nandray soa tamin’ilay fanampiana.

‘Manao Soa Amintsika ny Tanan’Andriamanitra dia Andao Isika Hanorina’ | Video

Nohazavain’io video io hoe trano efa ho 80000 no karakarain’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Nasongadina tao koa hoe ahoana no ataontsika mba hikojakojana sy hanavaozana ary hanorenana an’ireny trano ireny.

Ahoana no Nahazoana ny Tany sy Tranon’ny Fandaminana Taloha? | Video

Hita ao amin’io video io ny fanadinadinana rahalahy telo, izay nanampy tamin’ny fifidianana sy fividianana trano sy tany ilain’ny sampan’i Etazonia sy ny foibe, taloha. Tsy iza izany fa ny Rahalahy Max Larson sy George Couch ary Gilbert Nazaroff. Samy nitantara ny porofo hitany izy telo mirahalahy hoe nanampy tamin’ny fahazoana trano sy tany i Jehovah.

Trano Vaovao Haorina | Video

Nampandrenesina tao amin’io video io hoe hatambatra ao amin’ny toerana iray ny famokarantsika raki-peo sy video. Hisy fanorenana hatao àry any Ramapo, New York, 3 kilaometatra eo ho eo avy eo amin’ny foibe any Warwick, New York. Kasaina hatomboka amin’ny 2022 ilay fanorenana ary tokony ho vita alohan’ny Desambra 2026. Mpiasa an-tsitrapo 1500 eo ho eo isan’andro no mety hilaina, rehefa tena be ny asa.

Ho toy izao ilay tranon’ny Betela haorina any Ramapo, New York, rehefa vita. Hisy toerana fakana feo sy video, birao, trano fonenana, ary toerana ho an’ny vahiny ao

Programa Vaovao Hikarakarana ny Fangatahana | Video

Hazavain’io video io hoe manomboka amin’ny Janoary 2020, dia afaka mameno fangatahana ao amin’ny jw.org sy mandefa azy any amin’ny anti-panahy izay mpitory te hampitombo ny fanompoany.

Fomba Vaovao Hihainoana Raki-peo ao Amin’ny JW.ORG

Azo ampiasaina handefasana raki-peo sasany ao amin’ny jw.org izao ny Amazon Alexa sy Google Assistant.

Mpanafika avy any Avaratra

Lasa mazava kokoa ny fahatakarantsika ny faminaniana ao amin’ny Joela toko faha-2 momba ny andiam-balala, nandritra ny lahatenin’ny Rahalahy David Splane. Efa tsy andrintsika izay hianarana an’izany amin’ny Tilikambo Fiambenana.

Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (Baiboly Fianarana), Matio hatramin’ny Asan’ny Apostoly

Fianarana Baiboly Amin’ny Baiboly Fianarana

Nasongadin’ny Rahalahy Samuel Herd ny maha tsara Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (Baiboly Fianarana), izay azo jerena ao amin’ny Internet. Navoakany avy eo Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (Baiboly Fianarana) vita pirinty. Ny bokin’i Matio hatramin’ny Asan’ny Apostoly no ao amin’io Baiboly io. Afaka manafatra azy io amin’ny alalan’ny fiangonany ny mpitory.

Be ny Asantsika!

Nohamafisin’ny Rahalahy Anthony Morris hoe ny fitoriana ny vaovao tsara no andraikitra lehibe indrindra ho antsika tena Kristianina. Mandamina ny fitoriana sy manome sakafo ara-panahy ho an’ny vahoakan’i Jehovah ny Filan-kevi-pitantanana, ary manampy azy amin’izany ny tranon’ny fandaminana. Novakin’ny Rahalahy Morris ny teny mampahery avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 1976 amin’ny teny anglisy hoe: “Amin’ny fotoana hahatongavan’ny ‘fahoriana lehibe’ isika no tokony ho be atao indrindra amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Rehefa ho avy hampihatra didim-pitsarana i Jesosy Tompo, dia ho tampoka amin’ny olon-drehetra izany. Ho tampoka amin’ny vahoakan’i Jehovah koa ilay izy satria amin’izay izy ireo no tena be atao mihoatra noho ny hatramin’izay.”

Inona no Tokony Hatahorantsika?

Nohazavain’ny Rahalahy Mark Sanderson hoe efa ampoizin’ny vahoakan’Andriamanitra fa ho halan’ny “firenena rehetra” izy ireo, araka ny faminanian’i Jesosy. (Matio 24:9) Nampirisihin’ny Rahalahy Sanderson anefa isika mba tsy hatahotra olona fa hatahotra an’i Jehovah.—Salamo 111:10.

Nisy video mampihetsi-po naseho tamin’io lahateny io. Naseho tao izay nolazain’ny rahalahy sy anabavy any Rosia, hoe inona no nanampy azy ireo tsy hatahotra fanenjehana. Mandrisika ny vahoakan’i Jehovah rehetra mba hitovy toe-tsaina amin’izy ireo io lahateny io sy ilay video naseho.

Mailo Tsara ve Ianao fa Tsy Mamomamo?

Nohazavain’ny Rahalahy Geoffrey Jackson ny hevitry ny fitambaran-teny sasany ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, izay misy teny midika ara-bakiteny hoe “mahatsiaro saina fa tsy mamo.” Nohamafisiny koa hoe tena ilaintsika ny ‘misaina tsara foana’ (ara-bakiteny, “mahatsiaro saina tsara fa tsy mamo”) amin’izao andro farany izao.—1 Petera 1:13.

Hataonao Tsara ve Ilay Izy?

Nampahafantarin’ny Rahalahy Kenneth Cook ny andinin-teny ho an’ny taona 2020. Miorina amin’ny Matio 28:19 ilay izy, manao hoe: “Mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona ..., ka ataovy batisa.” Nasongadiny hoe ilaina ny manampy ny olona manana toe-po tsara mba hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa.

Mandrisika antsika hanohy hiezaka mafy hanompo an’i Jehovah ny fandaharana ara-panahy hoatran’iny fivoriana fanao isan-taona iny.

a Hivoaka ao amin’ny jw.org amin’ny Janoary 2020 ny fandaharana manontolo amin’ny fivoriana fanao isan-taona.