Hijery ny anatiny

11 OKTOBRA 2013
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Nohavaozina

Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Nohavaozina

Nambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fivoriana manokana natao tamin’ny 5 Oktobra 2013, fa nivoaka Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina, amin’ny teny anglisy. Hitan’ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao fa nila nampifanarahina amin’ny fiteny fampiasa andavanandro ilay Fandikan-teny, ary nohazavaina ny teny sasany, mba ho azo sy ho mora vakina kokoa ilay izy. Misy toerana enina fanampiny ahitana ny anaran’Andriamanitra ao amin’io Baiboly io. Naverina nodinihina mantsy ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty sy ny sora-tanana fahiny. Ao amin’ny Mpitsara 19:18 sy ny 1 Samoela 2:25; 6:3; 10:26; 23:14; 23:16 no misy azy ireo. Azo adika maimaim-poana avy ao amin’ny www.pr418.com ny PDF amin’izy io sy ny rakitra elektronika ao amin’ilay programa hoe JW Library vaovao.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000