Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Laharana voalohany tamin’ny gazety Fotoam-pahasambarana (1919), laharana voalohany tamin’ny gazety Fampiononana (1937), laharana voalohany amin’ny gazety Mifohaza! (1946), ary Mifohaza! No. 2 2019 amin’ny endrika elektronika

1 OKTOBRA 2019
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Feno 100 Taona ny Gazety Mifohaza!

Feno 100 Taona ny Gazety Mifohaza!

Feno 100 taona tamin’ny 1 Oktobra 2019 ny gazety Mifohaza! Io no gazety miparitaka indrindra sy adika amin’ny fiteny betsaka indrindra eran-tany, aorian’ny Tilikambo Fiambenana. Gazety Mifohaza! 280 tapitrisa mahery mantsy no atao pirinty isan-taona ary adika amin’ny fiteny 211 izy io.

Hoy ny Rahalahy Samuel Herd, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana: “Miresaka loha hevitra isan-karazany ny Mifohaza! ka manampy olona maro ho liana amin’ny Baiboly. Niovaova ny paozin’ilay gazety nefa tena mandaitra eny amin’ny fanompoana foana izy io. Faly be isika hoe 100 taona izay no namoahana ny Mifohaza! Porofo izany hoe manampy antsika amin’ny alalan’ny fanahy masina Andriamanitra.”

Nisy fivoriambe niavaka nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Cedar Point, any Etazonia, tamin’ny Septambra 1919. Tamin’io fivoriambe io no nampandrenesina ny fivoahan’ny gazety Fotoam-pahasambarana (anaran’ilay gazety voalohany). Novana hoe Fampiononana ny anaran’ilay gazety, tamin’ny 1937, mba hanasongadinana hoe mila fampiononana ny olona. Natao hoe Mifohaza! ny anarany tamin’ny 1946, mba hampisehoana hoe tokony ho takatry ny mpamaky izay lazain’ny Baiboly momba ny zava-mitranga eran-tany.

Mpanatrika ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Cleveland, any Ohio, tamin’ny 11 Aogositra 1946, mitazona ny gazety Mifohaza! vao navoaka

Faly isika hoe nahatratra 100 taona ny Mifohaza! ary mbola mampiasa azy io foana isika mba ‘hitoriana amin’ny fomba feno ny vaovao tsara’ ao amin’ny Baiboly.—Asan’ny Apostoly 20:24.