Hijery ny anatiny

11 OKTOBRA 2019
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Feno Dimy Taona ny Tele JW

Feno Dimy Taona ny Tele JW

Dimy taona izay ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany no nankafy ny fandaharana ara-panahy isam-bolana ao amin’ny Tele JW. Efa tsy andrintsika izay hivoahan’ny fandaharana ho an’ny taom-panompoana 2020 sy ny aorian’izay. Andao aloha hojerentsika ny zava-bita niavaka hatramin’ny nivoahan’ny fandaharana voalohany tamin’ny Oktobra 2014.

Voadika ho amin’ny fiteny 185. Navoaka tamin’ny teny anglisy fotsiny ny fandaharana isam-bolana, tamin’ny voalohany. Neken’ny Filan-kevi-pitantanana avy eo ny handikana an’ilay fandaharana ho amin’ny fiteny 40 mahery, tamin’ny Mey 2015. Efa voadika ho amin’ny fiteny 185 eo ho eo ilay izy izao, efa-taona monja atỳ aoriana.

Fandaharana avy any amin’ny tany samihafa. Natao ho an’ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany ny fandaharana ao, ka mihamaro foana ny video havoakan’ny ekipa mpanao video maneran-tany. Matetika no faranana amin’ny video mampiseho fiangonana any amin’ny toerana lavitra ny fandaharana. Anisan’izany ny fiangonana any Etiopia, Islandy, Mongolia, Ogandà, Saipan, ary Tuvalu. Afaka mahita ny Tele JW ny olona any amin’ny firenena 230, anisan’izany ny any amin’ny faritra lavitra be hoatran’ny Nosy Heard sy McDonald, any akaikin’ny Tendrontany Atsimo, izay tsy misy mponina maharitra. Isaky ny mivoaka ny fandaharana isam-bolana, dia in-8600000 eo ho eo ilay izy no misy mijery na maka, mandritra an’iny volana iny.

Betsaka sy isan-karazany ny fandaharana ao. Mahatratra 60 ora ny halavan’ny zavatra navoaka ao, anisan’izany ny lahateny, fanadinadinana, fitantarana, vaovao, ary tantara lalaovina. Ilay hira hoe Ny Mamy Tsy mba ho Lany no voalohany nivoaka, ary lasa misy hira foana izao isam-bolana. Voadika ho amin’ny fiteny 368 ireny hira ireny.

Mpanolotra fandaharana. Ny Filan-kevi-pitantanana ihany no nanolotra fandaharana, tamin’ny voalohany. Lasa miaraka amin’izy ireo ny mpanampy ny komity eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana tatỳ aoriana, ary manolotra fandaharana koa izy ireo indraindray. Misy 29, amin’ny fitambarany, ny rahalahy efa nanolotra fandaharana na nanampy ny mpanolotra fandaharana.

Teny fankasitrahana. Tapaka lalan-dra ny rahalahy iray any Etazonia ary mbola marary hatramin’izao. Tiany be ny hira ao amin’ny Tele JW. Hoy izy: “Tena tsara ireny hira ireny sady manatanjaka ny finoako an’i Jehovah sy ny teniny. Ireny no nanova ny fomba fijeriko sy nanampy ahy hiatrika an’izao olana mahazo ahy izao. Tsy nampoiziko hoe hanampy be ahy hanatsara ny toetrako ilay izy. Misaotra betsaka anareo!”

Matin’ny kansera ny zanakalahin’ny mpivady iray any Etazonia. Izao no nosoratan’izy ireo rehefa avy nijery ny fandaharana tamin’ny Novambra 2016 izy ireo: “Nilatsaka ny ranomasonay teo am-pijerena an’ilay hira hoe Efa ao Ambadika Ao. Hoatran’ny hoe izahay mihitsy ilay ray aman-dreny any amin’ny paradisa. Rehefa mahatsapa aho hoe tsy ho zakako intsony ny alaheloko, dia asehon’i Jehovah foana hoe azony tsara ny mahazo ahy dia hampiany hizaka an’ilay izy aho. Hoatran’ny hoe novalian’i Jehovah tamin’iny hira iny ny vavakay.”

Mankasitraka an’ilay fandaharana isam-bolana koa ny mpivady iray any Ukraine. Hoy izy mivady: “Lasa hoatran’ny hoe anisan’ny fianakavianay koa ry zareo anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, rehefa mijery Tele JW izahay.”

Misaotra an’i Jehovah isika satria manome an’io fanampiana ara-potoana io izy, ary mampiray saina ny vahoakany maneran-tany izany.—1 Petera 2:17.