Hijery ny anatiny

Rahalahy sy anabavy migadra any Rosia sy Crimée

3 JANOARY 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Firenena Maromaro no Namoaka Fanambarana Iombonana hoe Tsy Tokony Henjehina Intsony ny Vavolombelon’i Jehovah

Firenena Maromaro no Namoaka Fanambarana Iombonana hoe Tsy Tokony Henjehina Intsony ny Vavolombelon’i Jehovah

Namoaka fanambarana iombonana ny firenena maromaro anisan’ny Vondrona Iraisam-pirenena Miaro ny Fahalalahana Ara-pivavahana a (IRFBA), tamin’ny 17 Desambra 2021. Manohana an’ireo Vavolombelon’i Jehovah enjehina noho ny finoany ilay fanambarana. Misy fangatahana ao hoe tokony hafahana avy hatrany izay Vavolombelona migadra, sady tokony hifarana amin’izay ny fampijaliana sy ny fisavana trano ary ny fanavakavahana.

Vavolombelon’i Jehovah 150 mahery eran-tany no gadraina noho ny finoany, ohatra hoe any Crimée, Érythrée, Rosia, Singapour, ary Tadjikistan. Nilaza ireo firenena anisan’ny IRFBA fa “tena mampanahy” ilay hoe “tsy mitsaha-mitombo ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah.” Nohamafisin’izy ireo koa fa zon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny manaraka ny zavatra inoany an-kalalahana, fa “tsy hoe ao anatin’ny tahotra, fampijaliana, fanavakavahana, na fanenjehana.”

Mankasitraka an’ireny fitondram-panjakana miaro ny zontsika hanompo an’i Jehovah ireny isika. Matoky koa isika hoe harovan’i Jehovah foana ireo rahalahy sy anabavintsika enjehina, sady ‘hampiadaniny foana’ satria miantehitra tanteraka aminy.​—Isaia 26:3.

a Fitambarana firenena maromaro te hampanjaka ny fahalalahana ara-pivavahana eran-tany io Vondrona io.