Hijery ny anatiny

6 NOVAMBRA 2023
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Fitoriana Nandritra ny Fiadiana Amboara Eran-tanin’ny Baolina Kitra ho An’ny Vehivavy 2023

Fitoriana Nandritra ny Fiadiana Amboara Eran-tanin’ny Baolina Kitra ho An’ny Vehivavy 2023

Natao tany amin’ny tanàn-dehibe vitsivitsy any Aostralia sy Nouvelle-Zélande ny fiadiana ny amboara eran-tanin’ny baolina kitra ho an’ny vehivavy, tamin’ny 20 Jolay ka hatramin’ny 20 Aogositra 2023. Maherin’ny roa tapitrisa ny olona nanatrika an’io lalao ara-panatanjahan-tena io. Nandritra an’io lalao io koa, dia nisy 1 200 teo ho eo ny rahalahy sy anabavy nanao ezaka manokana mba hitoriana tany amin’ny tanan-dehibe sivy, any amin’ireo firenena roa ireo. Nisy 18, fara fahakeliny, ny olona nangataka hianatra Baiboly.

Nankeo amin’ny anabavy nanao fampirantiana tany Sydney, any Aostralia, ny vehivavy roa avy any Inde, ary nahita soratra mampahafantatra hoe misy fampianarana Baiboly maimaim-poana. Nanontany ry zareo hoe aiza no afaka manatrika an’ilay fianarana Baiboly. Dia namaly ireo mpitory hoe afaka manana mpampianatra tsirairay ny olona rehefa mianatra Baiboly miaraka amintsika. Nohazavain’ireo mpitory ireo koa hoe afaka mangataka olona hitsidika azy koa ireo vehivavy roa ireo, raha mampiasa an’ilay kaody QR amin’ilay bokikely hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Tonga dia nameno an’ilay fangatahana ao amin’ny Internet ireo vehivavy roa ireo, ary samy nanomboka nianatra Baiboly.

Nisy mpivady Vavolombelona avy any Brisbane, any Aostralia, nanampy vehivavy iray indray mandeha. Tsy nahita ny lalana tokony halehany mantsy no fahitana an’ilay vehivavy. Dia nohazavain’ilay vehivavy tamin’izy mivady fa mitady an’ilay hotely ipetrahany izy, ary nanampy azy izy mivady. Nilaza ilay vehivavy tamin’izy teny an-dalana hoe mpitsidika avy any Papouasie-Nouvelle-Guinée izy. Dia faly be izy sady gaga rehefa nahalala hoe efa nipetraka tany Papouasie-Nouvelle-Guinée koa izy mivady. Niresadresaka tsara ry zareo avy eo, ary nifanome karatra misy ny mombamomba azy avy. Nitondra an’io vehivavy io nitsidika an’ilay tanàna izy mivady tsy ela taorian’izay, dia nanararaotra niresaka taminy momba ny vaovao tsara. Nanaiky hianatra Baiboly ilay vehivavy rehefa nody tany amin’ny taniny.

Niresaka tamin’ny lehilahy roa miteny pendjabi ny anabavy atao hoe Terina, tany Auckland, any Nouvelle-Zélande. Teo amin’ny parking ho an’ny besinimaro ry zareo no niresaka, ary mpiambina no asan’izy roa lahy. Nisy mpiambina iray hafa anefa tonga ary nanapaka an’ilay resaka, dia niresaka tamin’ireo mpiambina roa lahy tamin’ny teny pendjabi. Lasa saina àry ilay anabavy hoe sao dia bedy izy roa lahy satria niresaka taminy nefa mbola miasa. Gaga anefa ilay anabavy satria nohazavain’ilay mpiambina iray hoe nandika teny ho azy roa lahy izy. Hoy ilay mpiambina iray: “Nanontany ahy izy roa lahy hoe inona izany Baiboly izany, dia novaliako hoe boky avy amin’Andriamanitra. Mety ve ilay valin-teniko?” Neken’i Terina hoe marina ilay valin-teny, ary avy eo natorony an’ireo mpiambina ireo hoe ahoana no atao raha te hangataka hianatra Baiboly amin’ny fiteniny ao amin’ny jw.org.

Nankeo amin’ny mpitory nanao fampirantiana tany Brisbane, any Aostralia, i Nicholas, lehilahy avy any Kolombia, dia nanontany momba ny fivoriantsika. Nilaza i Nicholas hoe Vavolombelon’i Jehovah ny mamany sy ny dadabe sy bebeny, dia efa nampirisika azy handeha hivory. Nitady mpitory avy amin’ny fiangonana miteny espaniola ireo rahalahy teo amin’ilay fampirantiana avy eo mba hifandray amin’i Nicholas. Adiny iray latsaka taorian’izay, dia nifandray taminy ny rahalahy iray avy amin’ny fiangonana miteny espaniola, ary nanao fandaharana mba hahafahany manatrika an’ilay fivoriambe hoe “Manàna Faharetana”!, izay natao tamin’io faran’io herinandro io.

Faly isika hoe nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ireo rahalahy sy anabavintsika any Aostralia sy Nouvelle-Zélande nandritra an’io lalao ara-panatanjahan-tena io, dia lasa ‘namirapiratra hoatran’ny hazavana.’​—Filipianina 2:15.