Hijery ny anatiny

Venezoelà: Anabavy iray mandray feo amin’ny teny warao (ambony havia), ary rahalahy roa anisan’ny mpandika teny amin’ny teny piaroa (ambany havia). Korea Atsimo: Fianakaviana iray mijery an’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra 2020 (havanana)

4 SEPTAMBRA 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2020: Nahavita Tsara ny Asany Ihany ny Mpandika Teny Na dia Nisy aza ny Olana

Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2020: Nahavita Tsara ny Asany Ihany ny Mpandika Teny Na dia Nisy aza ny Olana

Anisan’ny fivoriambe niavaka indrindra teo amin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra hoe “Mifalia Foana!”, tamin’ity taona 2020 ity. Nadika tamin’ny fiteny 500 mahery ilay fandaharana, ary tany an-trano ny olona no nijery an’ilay izy. Betsaka ny olana tsy maintsy natrehin’ny mpandika teny, anisan’izany ny hoe voafetra ihany ny fitaovana azon’izy ireo nampiasaina, sady fohy kely ny fotoana tsy maintsy namitana an’ilay asa.

Hoy ny anabavy iray, anisan’ny mpandika teny amin’ny teny Kikuyu, any Kenya: “Mihidy tanteraka ny Betela, dia vitsy kely ny olona azonay noraisina feo. Voavaha ihany anefa ilay olana satria nampiasa rahalahy sy anabavy tany amin’ny toerana mitokana izahay. Hitanay hoe tena niasa ny fanahin’i Jehovah, dia tena faly izahay.”

Olana mitovitovy amin’izany koa no natrehin’ny mpandika teny amin’ny teny koreanina sy amin’ny Tenin’ny Tanana Koreanina. Misy rahalahy sy anabavy avy any amin’ny fiangonana manampy an’ireo mpandika teny ireo, amin’ny resaka fandraisam-peo. Tsy afaka nankany amin’ny Betela anefa ireny rahalahy sy anabavy ireny.

Efitra fakana video vonjimaika natao ao amin’ny tranon’ny rahalahy iray, mba hakana video ny lahateny sy video isan-karazany amin’ny Tenin’ny Tanana Koreanina

Mba hamahana an’ilay olana, dia nanamboatra efitra fandraisam-peo tany an-tranony ny rahalahy sy anabavy. Ny mpiara-manompo tany an-toerana no nanome ny ankamaroan’ny fitaovana nilaina tamin’ilay fandraisam-peo. Nofoanana daholo koa ny fivoriamben’ny faritra, dia azon’ny sampana nampiasaina ny kamerà sasany tany amin’ny Efitrano Fivoriambe mba hakana video ny fandaharana amin’ny tenin’ny tanana.

Sarotra tamin’ny mpandika teny sasany tany Venezoelà koa ny nanao ny asany satria miadana be ny Internet. Ny mpandika teny hafa indray tsy ampy fitaovana. Nitaditady hevitra anefa ry zareo, dia izay fitaovana nananany tao ihany no nampiasainy hamitana ny asany. Kidoro izao, ohatra, no nampiasain’ny mpandika teny tany amin’ny toerana iray mba hanakanana ny feo tsy hiparitaka, rehefa nandray feo ry zareo.

Misy mpandika teny amin’ny teny zande, any Djouba, any Soudan Atsimo. Izao no notenenin’ny iray amin’ireo mpandika teny ireo: “Raha vao henoko hoe tsy maintsy handray feo an’ilay fandaharana iray manontolo izahay, dia hoy aho hoe: ‘Aiza koa no ahavitana an’izany! Tsy ho vitanay ao anatin’ny roa volana mihitsy izany hoe handray feo sy video miisa 90 mahery izany.’ Vita soa aman-tsara ihany anefa ilay izy. Lasa matoky tanteraka aho izao hoe tsy misy na inona na inona mahasakana an’i Jehovah tsy hanatanteraka ny sitrapony. Tena mahagaga mihitsy ny fomba fanaovany zavatra!”—Matio 19:26.

Tena fanomezana avy amin’i Jehovah mihitsy iny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2020 hoe:“Mifalia Foana!” iny. Sitrapony mantsy “ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.”—1 Timoty 2:4.