20 MARTSA 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
Fizarana Diplaoman’i Gileada Hafakely
Mitovy amin’ny fizarana diplaoma rehetra hatramin’izay ihany ny an’ny kilasy faha-148 amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, fa izao fotsiny no maha hafakely azy: Tsy tao amin’ilay toerana nanaovana an’ilay fandaharana ny mpanatrika fa nanaraka mivantana avy any amin’ny misy azy. Ity Fizarana Diplaoman’i Gileada ity no modely nasehon’ny fandaminana tato ho ato momba ny hoe ahoana no atao rehefa misy fiovana.
Tamin’ny 14 Martsa 2020 ilay izy no natao, tao amin’ny foibem-pampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah any Patterson, any New York. Ny Rahalahy Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no mpanolotra fandaharana, ary mpianatra 55 no nizarana diplaoma. a
Herinandro vitsivitsy talohan’izay no nivoaka tamin’ny vaovao maneran-tany hoe miparitaka ny COVID-19. Araka ny voalaza tao amin’ny Vaovao ato amin’ny jw.org, dia manara-maso akaiky ny zava-misy ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka manome tari-dalana ho an’ny fiangonana rehetra, mifanaraka amin’ny toromarika omen’ny manam-pahefana.
Anisan’izany toromarika izany ny hoe tsy azo atao ny mamory vahoaka. Nandinika an’izany sy ny zavatra hafa ny Filan-kevi-pitantanana, ka nanapa-kevitra hoe aleo tsy manasa vahiny avy any ivelany hanatrika an’ilay fandaharana. Tsy hasiana mpanatrika koa ao amin’ilay toerana hizarana diplaoma. Modely ny fianakavian’ny Betela sy ny mpianatra tamin’ilay sekoly satria nanohana tsara an’ilay fanapahan-kevitra.—Jaona 13:34, 35.
Afaka nanaraka an’ilay fandaharana mivantana avy any amin’ny misy azy kosa ny olona nasain’ny mpianatra sy ny fianakavian’ny Betela. Rahalahy sy anabavy 10 000 mahery àry eran-tany no nanaraka mivantana an’ilay fandaharana, anisan’izany ny havan’ny mpianatra sy ny namany.
Tian’ny Filan-kevi-pitantanana hitohy foana ny fandaharana ara-panahy ataontsika, indrindra fa ny fivoriana isan-kerinandro, na eo aza ny COVID-19. Nanome toromarika voafaritra tsara ho an’ny sampana maneran-tany àry ny Filan-kevi-pitantanana, tato ho ato, momba ny fanovana mila atao amin’ny fivorian’ny fiangonana, arakaraka ny zava-misy. Mpitory vitsivitsy ihany no miara-mivory, any amin’ny toerana sasany. Ny hafa indray mampiasa fitaovana elektronika rehefa mivory, ohatra hoe manao vidéoconférence. Azo antoka fa handray soa amin’ny sakafo ara-panahy tsy tapaka omena ny fiangonana rehetra ny rahalahy sy anabavy maneran-tany.
Hita mazava izao fa manampy ny fandaminana foana ny herin’i Jehovah ka resintsika ny karazana sakana rehetra.—Salamo 18:29.
a Hapetraka ato amin’ny jw.org ny fandaharana manontolo amin’ny Fizarana Diplaoman’i Gileada, kilasy faha-148, amin’ny Jona 2020.