Hijery ny anatiny

25 JANOARY 2023
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Folo Taona Izay no Nanavaozana ny JW.ORG: Fizarana 2

Ampahafantarina antsika foana izay vaovao farany

Folo Taona Izay no Nanavaozana ny JW.ORG: Fizarana 2

Noresahina tao amin’ny fizarana voalohany hoe ampiasaina be mba hizarana video sy boky ary gazety amin’ny endriny elektronika ny jw.org. Ity fizarana faharoa ity indray hiresaka hoe natao hamoahana an’izay vaovao farany mahakasika antsika Vavolombelon’i Jehovah koa io tranonkala io, amin’izay ny rahalahy sy anabavy maneran-tany maharaka foana an’izay mitranga.

Fanazavana tonga amin’ny fotoana ilana azy: Misy fizarana hoe Vaovao ao amin’ny jw.org, dia lahatsoratra miresaka an’izay vaovao lehibe momba ny rahalahy sy anabavintsika no ao. Marina tsara ny vaovao resahina ao sady misy foana, ohatra hoe taiza avy no nisy loza, dia ahoana no nanampiana an’izay tra-boina tany, iza avy ny fitondram-panjakana manohitra antsika, na hoe iza avy ny rahalahy sy anabavy migadra tsy ara-drariny. Tao, ohatra, no nahalalan’ny rahalahy sy anabavy maneran-tany, tamin’ny 21 Martsa 2017, hoe kely sisa dia ho voarara ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia. Nasaina nanoratra taratasy ho an’ny fanjakana rosianina ny rahalahy sy anabavy rehetra tamin’izay.

Vaovao Tselatra: Tamin’ny Jolay 2017 no nisy Vaovao Tselatra voalohany tao amin’ny jw.org. Filazana fohy momba an’izay zava-nitranga farany fotsiny ilay izy fa tsy miresaka zavatra be. Amin’ny Vaovao Tselatra, ohatra, no avoaka hoe iza ny rahalahy na anabavy afaka madiodio rehefa avy nogadraina noho ny finoany. Anisan’izany ilay tamin’ny 31 Desambra 2020. Nampandrenesina tamin’izay hoe afaka madiodio avy tany am-ponja tany Rosia i Feliks Makhammadiyev, dia tafaraka tamin’i Yevgeniya vadiny indray. Nisy Vaovao Tselatra foana koa rehefa niparitaka ny valanaretina COVID-19. Nampahafantarina foana, ohatra, tamin’ireny isaky ny nivoaka tao amin’ny jw.org ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, na hoe nisy fanapahan-kevitra lehibe noraisin’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Anisan’izany ilay hoe efa afaka miara-mivory mivantana indray isika, sy ilay hoe afaka mitory isan-trano indray. Matetika no ora vitsivitsy aorian’ny hitrangan’ny zavatra iray, dia efa mivoaka ao amin’ny Vaovao Tselatra ilay izy. Hoatran’izany, ohatra, ilay tamin’ny Jona 2018. Tonga dia nipoitra tao amin’ny Vaovao Tselatra tamin’izay ilay didim-pitsarana vao avy navoakan’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana any Korea Atsimo hoe tsy mety ny ataon’ny fitondrana any, satria tsy avelan-dry zareo manao fanompoana sivily izay olona tsy te hanao miaramila.

Vaovao farany avy amin’ny Filan-kevi-pitantanana: Tamin’ny 18 Martsa 2020 no nisy voalohany tao amin’ny jw.org ilay hoe Vaovao Farany avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana. Natao hampaherezana ny rahalahy sy anabavy nandritra ny COVID-19 izy io. Izao no tenin’ny anabavy iray momba ny zavatra tsapany isaky ny mijery an’ireny vaovao farany ireny izy: “Hoatran’ny hoe misy namako tsara fanahy be amiko, dia manontany ahy foana raha salama tsara aho. Soa ihany fa misy an’ireny vaovao farany ireny, raha tsy izany aho tsy hahavita hiatrika an’ity valanaretina ity mihitsy. Tonga amin’ny fotoana tena ilako azy mihitsy ilay izy.” Be dia be no mitovy hevitra aminy. Efa 28 izao ny vaovao farany efa nivoaka, sady tena tonga tamin’ny fotoana nilana azy mihitsy.

Misy zava-baovao mitranga foana satria vao mainka mikorontana izao tontolo izao. Vao mainka sarotra koa anefa amin’izao ny mahita vaovao tena marina. Soa ihany isika fa manana ny jw.org. Vaovao marina sy tonga amin’ny fotoana ilana azy foana mantsy no hitantsika ao. Manampy antsika rehetra ho “tony foana” sy hatoky an’i Jehovah Andriamanitsika izany.​—Isaia 30:15.

  • Isan’ny video alain’ny olona isam-bolana

  • Isan’ny olona mitsidika ny jw.org isan’andro, ao anatin’ny volana iray

  • Martsa 2017: Nampirisihina hanoratra taratasy ho an’ny fanjakana rosianina ny rahalahy sy anabavy maneran-tany

  • Martsa 2020: Nivoaka voalohany ny Vaovao Farany avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

  • Martsa 2022: Nampandrenesina hoe hiara-mivory mivantana indray isika

  • Jona 2022: Nampandrenesina hoe hitory isan-trano indray isika

  • Jona hatramin’ny Aogositra 2022: Navoaka tao amin’ny jw.org ny fivoriamben’ny vondrom-paritra