Hijery ny anatiny

Rahalahy Mark Sanderson, manao lahateny mandritra ny fandaharana manokana iray any Varsovie, any Polonina

3 MEY 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

“Hamafiso Foana ny Fifandraisanareo Amin’i Jehovah”

Fandaharana Manokana Nampahery An’ireo Rahalahy Tany Ukraine sy Polonina

“Hamafiso Foana ny Fifandraisanareo Amin’i Jehovah”

Tonga tany Polonina ny Rahalahy Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 26 Aprily 2022. Te hampahery an’ireo rahalahy sy anabavy izay iharan’ny vokatr’ilay ady any Ukraine izy.

Rahalahy ao amin’ny Efitrano Fivoriambe any Polonina, mikarakara ny lafiny teknika mandritra an’ilay fandaharana

Nasaina hanatrika fandaharana manokana anankiray ny fiangonana rehetra tany Polonina sy Ukraine, tamin’ny 30 Aprily 2022. Nasaina hanatrika an’izany mivantana ireo mpitsoa-ponenana iokrenianina sy izay rehetra nandray anjara tamin’ny fanampiana vonjy rano vaky. Tao amin’ny Efitrano Fivoriambe tany Varsovie, any Polonina, ilay izy no natao. Raha atambatra ny isan’ny mpanatrika tao amin’ny Efitrano Fivoriambe sy tamin’ny alalan’ny vidéoconférence, dia nahatratra 250 000 mahery.

“Mahatsiaro anareo ny rahalahy sy anabavy maneran-tany ary mivavaka ho anareo.” Izany no nolazain’ny Rahalahy Sanderson. “Mivavaka ho an’ireo rahalahy any Rosia sy Ukraine ny any amin’ny foibe isan’andro. Mivavaka ho azy ireo koa izahay mandritra ny fivorian’ny Filan-kevi-pitantanana.” Nanome toky ny mpanatrika izy hoe: “Tsy hoe tsy tahin’i Jehovah intsony ianareo matoa miatrika olana. Hitany sady tiany ianareo, ary vao mainka izy manakaiky anareo rehefa miatrika zava-tsarotra ianareo.”

Rahalahy sy anabavy maromaro nitsoaka an’i Mariupol, eo am-pijerena an’ilay fandaharana manokana

Izao koa no nolazain’ny Rahalahy Sanderson: “Hamafiso foana ny fifandraisanareo amin’i Jehovah. Tsy ny ho tafavoaka amin’ilay zava-tsarotra atrehintsika fotsiny mantsy no tanjontsika. Tiantsika koa raha mba mihamatanjaka ny finoantsika ary mihakaiky an’i Jehovah isika rehefa avy nandia zava-tsarotra. Izany mantsy no ampianarin’i Jehovah antsika.”

Izao no nolazain’i Serhiy, anti-panahy iray any Odessa, any Ukraine: “Niady saina sy nalahelo be ary natahotra aho ka lasa tsy dia nahita tory firy, herinandro vitsivitsy izay. Nanatanjaka ny finoako anefa iny [fandaharana manokana iny], ary nanome toky ahy hoe tsy ny vahoakany amin’ny fitambarany ihany no sarobidy amin’i Jehovah fa ny mpanompony tsirairay mihitsy.”

Izao indray no nolazain’i Tatiana, anabavy mpitsoa-ponenana avy any Kiev, any Ukraine: “Tsapako androany hoe tena akaiky an’ahy i Jehovah. Hoatran’ny hoe nofihininy aho dia nampisehoany fitiavana. Eo akaikintsika eo foana i Jehovah na aiza na aiza misy antsika.”

Tena tiantsika ireo rahalahy sy anabavintsika any Ukraine sy Polonina. Matoky isika fa nampahatsiahy azy ireo iny fandaharana manokana iny hoe ‘be fitiavana sady tsy mivadika’ amin’ny vahoakany i Jehovah.​—Salamo 136:1.