Hijery ny anatiny

Rahalahy Artem Gerasimov

27 FEBROARY 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Hamoaka Didy Momba ny Rahalahy Artem Gerasimov ny Fitsarana any Crimée

Hamoaka Didy Momba ny Rahalahy Artem Gerasimov ny Fitsarana any Crimée

Hamoaka didy momba ny Rahalahy Artem Gerasimov ny Fitsaran’i Yalta any amin’ny Repoblikan’i Crimée, amin’ny 3 Martsa 2020. Nangataka ilay mpampanoa lalàna mba hogadraina enin-taona sy tapany io rahalahintsika io noho ny finoany.

Nanao bemidina tany amin’ny trano valo an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Alupka sy Yalta, any Crimée, ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB), tamin’ny 20 Martsa 2019. Nampidirina am-ponja vonjimaika sy nalaina am-bavany ny Rahalahy Gerasimov, taorian’izay. Naka ordinatera sy fitaovana elektronika hafa ary Baiboly maromaro ny FSB rehefa nisava an’ireo trano ireo. Nampangain’ny mpanao famotorana miasa amin’ny FSB avy eo ny Rahalahy Artem Gerasimov hoe mandamina asan’ny fikambanana mampidi-doza, satria fotsiny hoe mivory sy miresaka momba ny Baiboly miaraka amin’ny olon-kafa.

Matoky tanteraka isika hoe homen’i Jehovah fahasahiana sy hohatanjahiny ny rahalahy sy anabavy enjehina tsy ara-drariny noho ny finoany.—Salamo 138:3.