Hijery ny anatiny

Mpivady manatrika “fivoriana” amin’ny alalan’ny vidéoconférence. Sambany ny olona maro no hanatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo hoatr’izao, amin’ity taona ity

3 APRILY 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Hiavaka ny Fahatsiarovana ny Nahafatesan’i Kristy

Betsaka ny Fiangonana Hampiasa Vidéoconférence Noho ny Coronavirus

Hiavaka ny Fahatsiarovana ny Nahafatesan’i Kristy

An-tapitrisany ny Vavolombelon’i Jehovah sy olon-kafa hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy, amin’ny talata 7 Aprily 2020. Io no fivoriana lehibe indrindra ataon’izy ireo mandritra ny taona. Noho ny COVID-19 anefa, dia hiavaka ny amin’ity taona ity satria dia be maneran-tany no hampiasa vidéoconférence rehefa hanatrika azy io.

Noraran’ny manam-pahefana ny famoriam-bahoaka, any amin’ny tany maro, noho ny fiparitahan’ny coronavirus. Fiangonana maro àry eran-tany no efa mampiasa vidéoconférence rehefa mivory isan-kerinandro. Hampiasa vidéoconférence koa izy ireo rehefa hanatrika ny Fahatsiarovana. Azon’ny olon-drehetra jerena ato amin’ny jw.org ilay lahatenin’ny Fahatsiarovana.

Maherin’ny 20 tapitrisa no nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny herintaona. Manantena isika fa olona an-tapitrisany koa no hanatrika ny Fahatsiarovana amin’ny alalan’ny vidéoconférence sy telefaonina, na hijery ato amin’ny jw.org, amin’ity taona ity.

Mihanaka be ny coronavirus any amin’ny tany maro. Mba hiarovana ny rahalahintsika àry dia mila mankatò an-tsakany sy an-davany ny toromariky ny manam-pahefana isika rehetra, raha mbola atahorana hiparitaka ilay aretina. Matoky tanteraka anefa isika fa hanampy antsika i Jehovah, ka tapa-kevitra isika hoe hankatò an’ilay didin’i Jesosy hoe: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.”—Lioka 22:19.