Hijery ny anatiny

Rahalahy Artem Shabliy

1 APRILY 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

‘Hoatran’ny Manda Vato’ ny Fiarovan’i Jehovah

‘Hoatran’ny Manda Vato’ ny Fiarovan’i Jehovah

Nomelohin’ny fitsarana any amin’ny tanànan’i Kerch, any amin’ny Repoblikan’i Crimée, ny Rahalahy Artem Shabliy tamin’ny 16 Febroary 2022, dia nomena sazy mihantona roa taona. Tsy voatery miditra am-ponja aloha izy izao.

Zava-nitranga

  1. 26 Mey 2020

    Nanao bemidina tao amin’ny tranon’i Artem sy ny tranon’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah efatra tany Crimée ny polisy. Namaky varavarankely iray tao an-tranon’i Artem ry zareo tamin’izay, dia voadidin’ny vakim-pitaratra ny tongotry ny zanany lahy efa-taona. Naharitra adiny telo ilay fisavana. Notazonin’ny polisy i Artem taorian’izay ary natoka-monina nandritra ny telo andro

  2. 9 Jona 2020

    Nangataka tamin’ilay fitsarana tao Kerch i Artem hoe aseho azy ny tatitra misy ny fanadihadiana hampiasaina mba hiampangana azy. Tsy neken’ilay fitsarana ny fangatahany na dia milaza aza ny lalàna fa adidin’izy ireo izany

  3. 24 Mey 2021

    Nanomboka ny fitsarana. Nisy rahalahy sy anabavy be dia be tonga tany amin’ny lapam-pitsarana mba hanohana an’i Artem, saingy tsy navela niditra ry zareo

Ilay voampanga

Hitantsika amin’ny zavatra niainan’i Artem fa ampian’i Jehovah foana ny mpanompony tsy mivadika. Matoky isika hoe ho harambato sy manda fiarovana ary fialofana azo antoka ho an’ny rahalahy sy anabavintsika rehetra any Crimée sy Rosia foana izy.​—Salamo 18:2.