Hijery ny anatiny

Ambony ankavia: Mpianatra any Japon, manatrika ny Sekolin’ny Mpiandraikitra ny Faritra sy ny Vadiny. Ambany ankavia: Fivoriamben’ny faritra iray tany Panama. Ankavanana: Anabavy mifamihina tany amin’ny fivoriamben’ny faritra iray tany Etazonia

28 FEBROARY 2023
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Lasa Atrehina Mivantana Indray ny Fivoriamben’ny Faritra sy ny Sekoly Ara-Baiboly

Lasa Atrehina Mivantana Indray ny Fivoriamben’ny Faritra sy ny Sekoly Ara-Baiboly

Telo taona izay no tsy natrehina mivantana ny fivoriamben’ny faritra. Lasa atrehina mivantana indray anefa izany izao, nanomboka tamin’ny Janoary 2023. Lasa atrehina mivantana koa ny sekoly ara-baiboly any amin’ny tany maro. Hita tsara avy amin’izany hoe tena tahin’i Jehovah ireo fandaharana miavaka ireo.

Nisy mpitory 200 teo ho eo niara-nanadio ny Efitrano Fivoriambe tany Villahermosa, any Tabasco, any Meksika, talohan’ny fivoriamben’ny faritra. Efa ho adiny enina ny lalan’ny sasany tamin-dry zareo vao tonga tao amin’ilay efitrano. Hoy ny anabavy iray: “Tena efa ela no tsy tafaraka be dia be hoatr’izao ny anadahy sy rahavavy. Izahay kosa aloha dia tsy maintsy tonga nanampy e! Tombontsoa be io ko!”

Nisy fivoriamben’ny faritra natao koa tany Crownsville, any Maryland, any Etazonia. Hoy ny anabavy iray nanatrika an’ilay izy: “Tena faly be mihitsy aho! Nitomany foana aho hatramin’izay nahatongavako izay. Efa lany daholo ny mosoarako nefa ilay fivoriambe mbola tsy nanomboka akory. Tena tsy atakaloko na inona na inona mihitsy ity fivoriambe ity!”

Rahalahy sy anabavy tonga hanatrika fivoriamben’ny faritra tany Caguas, any Porto Rico

Faly be koa ny mpianatra tany amin’ny tany maro rehefa nanatrika mivantana ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana sy ny Sekolin’ny Mpiandraikitra ny Faritra sy ny Vadiny. Hoy ny Rahalahy Giovanny Cabezas, mpampianatra ao amin’ny trano fianarana any Palm Coast, any Floride, any Etazonia: “Tena faly aho rehefa naheno hoe hatrehina mivantana indray ny sekoly ara-baiboly. Miara-miasa ato daholo ny mpampianatra sy ny mpianatra ary ny mpiasa an-tsitrapo, dia manao ny sitrapon’i Jehovah.”

Nanatrika ny Sekolin’ny Mpiandraikitra ny Faritra sy ny Vadiny ny Ranabavy Satoko Nakata, tamin’ny Janoary 2023. Hoy izy: “Nahafinaritra aloha hoe natao tamin’ny Zoom ny fivoriana sy ny sekolin’ny mpisava lalana tamin’iny valanaretina iny. Tsy tena afaka niresadresaka na naheno ny mpiara-manompo nihomehy na nihira anefa isika tamin’ireny. Tena fanomezana miavaka be avy amin’i Jehovah ity sekoly atrehina mivantana ity. Niresadresaka sy niara-nihomehimehy izahay mpianatra, dia indraindray koa niara-nitomany, dia falifaly be niara-nihira. Tena misaotra an’i Jehovah sy ny Filan-kevi-pitantanana aho!”

Mpianatra any Kenya, manatrika ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana

Azo antoka fa faly be i Jehovah mahita ny vahoakany miara-mivory mba hanompo azy sy handray fampianarana avy aminy. Miombon-kevitra amin’i Davida Mpanjaka isika rehefa niteny izy hoe: “Hisaotra anao eo anivon’ny fiangonana lehibe aho; hidera anao eo anivon’ny vahoaka maro be aho.”​—Salamo 35:18.