17 JONA 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
Lasa Betsaka Kokoa Izao ny Fanazavana Andinin-teny ao Amin’ny Fitaovana Fikarohana
Vao tsy ela izay dia nohavaozina ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah, ho an’ny programa JW Library. Lasa betsaka kokoa izao ny fanazavana andinin-teny avy ao amin’ny boky sy gazety hita ao amin’izy io.
Inona ny zava-baovao ao amin’ilay izy?
Hatramin’ny nivoahan’ny Fitaovana Fikarohana tamin’ny 2013, dia fanazavana avy amin’ny boky sy gazety vao haingana no hita tao amin’izy io.
Betsaka anefa ny boky sy gazety taloha kokoa nampidirina ao amin’ny JW Library, tato anatin’ny taona vitsivitsy lasa. Hita ao amin’izy io izao ny ankamaroan’ny boky sy gazety ao amin’ny FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon’i Jehovah (WOL). Mipoitra ao amin’ilay Fitaovana Fikarohana nohavaozina koa àry izao ny fanazavana avy amin’ireny boky sy gazety taloha kokoa ireny, anisan’izany ny Fandalinana ny Soratra Masina. Tsy voatery mampiasa Internet ianao vao mahita an’ireny fanazavana ireny, satria vao manokatra ny Fitaovana Fikarohana ao amin’ny JW Library ianao dia tonga dia mipoitra ilay izy.
Efa ao amin’ny Fitaovana Fikarohana koa izao ny lesona avy ao amin’ilay boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Izao no nolazain’ny anabavy atao hoe Kari: “Mampahatahotra ahy ny mitory an-telefaonina, fa fantatro anefa hoe tena mila fampaherezana ny olona. Misy andinin-teny tonga ao an-tsaiko indraindray, dia tiako raha misy manampy ahy mba hanazava an’ilay izy amin’ny fomba tsotra sy mahafinaritra. Amin’izay rehefa miresaka amin’ny olona momba an’ilay izy aho dia mba mitohy ny resaka. Soa ihany fa tonga dia afaka mahita fanazavana momba an’izay andinin-teny tiako hampiasaina aho izao ao amin’ny Fitaovana Fikarohana, anisan’izany ny lesona ao amin’ilay boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Lasa matoky tena kokoa aho izao sady mahafinaritra ahy kokoa ny fanompoana.”
Notsorina ny fomba famokarana ny Fitaovana Fikarohana, mba hahafahana mamoaka an’ilay izy amin’ny fiteny betsaka kokoa. Hoy i Ivo, rahalahy manompo any amin’ny sampan’i Silia: “Sambany vao nivoaka tamin’ny fiteny mapudungun ny Fitaovana Fikarohana. Vaovao be tamiko ny niasa tamin’ilay izy, fa soa anefa fa tsotra kely ny fomba fanaovana azy. Gaga be ny mpiara-manompo hoe lasa manana Fitaovana Fikarohana amin’ny fiteninay izahay. Tsy nampoizin-dry zareo hoe hisy amin’ny fiteny vitsy mpampiasa ilay izy. Dia faly be ry zareo nahazo an’io fitaovana io satria tena manampy ilay izy rehefa mianatra samirery sy manomana valin-teny na lahateny.”
Ahoana no fomba ampiasana azy?
Tadiavo ao amin’ny Baiboly ilay andinin-teny tianao hanaovana fikarohana.
Tsindrio ilay tarehimarika manondro an’ilay andininy, dia misy sary maromaro mipoitra avy eo. Tsindrio ilay sarina boky mifanaingina mampiseho ny Fitaovana Fikarohana. Raha tsy mipoitra io sary io, dia midika izany hoe tsy misy boky na gazety manazava an’io andinin-teny io ao amin’ny Fitaovana Fikarohana.
Izay boky na gazety vao haingana indrindra no mipoitra voalohany ao amin’ny Fitaovana Fikarohana. Raha mitady fanazavana tao amina boky na gazety tranainy kokoa ianao, dia jereo izay fanazavana mipoitra manaraka eo amin’ilay tsanganana eo ankavanana. Nahitsy ny fahazoantsika ny andinin-teny sasany, ka izay boky na gazety vao haingana indrindra no ahitana ny fanazavana farany momba an’ilay izy.