Hijery ny anatiny

12 APRILY 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Lasa Misy Amin’ny Soratra Braille Telo Fanampiny Indray ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Lasa Misy Amin’ny Soratra Braille Telo Fanampiny Indray ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Tato anatin’ny volana vitsivitsy izay, dia nivoaka tamin’ny soratra braille tamin’ny fiteny telo Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, izany hoe tamin’ny teny alemà sy koreanina ary iokrenianina. Efa misy amin’ny rakitra elektronika izy ireo ao amin’ny jw.org. Azo vakina amin’ny fitaovana entin-tanana mamadika soratra ho lasa braille ilay Baiboly amin’ny braille koreanina sy iokrenianina. Ilay Baiboly amin’ny braille alemà indray azo vakina amin’ny programa mpamaky efijery.

Rahalahy koreanina mamaky rakitra elektronika amin’ny fitaovana mamadika soratra ho braille

Mampiasa fitaovana mpamadika soratra ho braille na raki-peo matetika ny jamba, kanefa betsaka koa no tia mampiasa boky mihitsy. Efa natao pirinty sy nalefa tany amin’ny mpitory ny Boky Voalohany amin’ny Baiboly soratra braille amin’ny fiteny alemà. Afaka volana vitsivitsy kosa no halefa any amin’ny mpitory ny Baiboly vita pirinty amin’ny braille koreanina. Mbola tsy nalefa tany amin’ny mpitory aloha ny Baiboly iokrenianina amin’ny soratra braille amin’ilay mbola misy ady any.

Mba hamoahana ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny soratra braille, dia mila avadika ho soratra braille daholo ny soratra rehetra, anisan’izany ny loharanon-kevitra rehetra. Mila halamina koa ny fanazavana ny zavatra hita maso, hoatran’ny hoe sarintany sy ny kisary, mba ho azon’ny jamba.

Hoy ny anabavy iray jamba any Alemaina: “Tadidiko tsara daholo ny zavatra vakiko amin’ny soratra braille. Tsara lavitra noho ilay hoe mihaino fotsiny ilay izy. Vao mainka aho lasa tia sy matoky be an’i Jehovah.”

Ambony ankavia: Fitaovana fanaovana pirinty, izay manisy soratra mivohitra amin’ny taratasy manokana. Afovoany: Anabavy manambatra boky amin’ny soratra braille. Ankavanana: Boky amin’ny soratra braille efa hozaraina amin’ny mpitory jamba

Atao pirinty any Wallkill, any Etazonia, ny Baiboly amin’ny soratra braille rehetra. Mampiasa fitaovana manisy soratra mivohitra izy ireo, ary taratasy manokana no ampiasaina amin’izany. Atambatra ny taratasy vita pirinty dia lasa boky maromaro. Iny avy eo no alefa any amin’ny biraon’ny sampana maro mba hozaraina amin’ny mpitory. Raha vita ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao dia boky ngezabe 30 mahery izy mitambatra, ary efa 2 metatra eo ho eo ny haavony.

Hoy ny mpandika teny amin’ny soratra braille, amin’ny teny koreanina: “Vao mainka izahay te hisaotra an’i Jehovah Andriamanitra rehefa mieritreritra ny soa ho azon’ny rahalahy sy anabavy jamba atỳ aminay, amin’ity Baiboly ity. Tena hampahery azy ireo mantsy io sady hahatonga azy ho akaiky kokoa an’i Jehovah.”

Matoky isika fa tena hanampy ny rahalahy sy anabavintsika jamba ireo Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny soratra braille ireo. Hita hoe tena ‘vokisany zava-tsoa’ tokoa izy ireo.​—Salamo 107:9.