Hijery ny anatiny

30 APRILY 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Mampahery ny Havan’ireo Matin’ny Coronavirus ny Rahalahy sy Anabavy Eran-tany

Mampahery ny Havan’ireo Matin’ny Coronavirus ny Rahalahy sy Anabavy Eran-tany

Efa manao an’izay azontsika atao isika vahoakan’i Jehovah mba hiarovana ny tenantsika sy ny olon-kafa amin’ny coronavirus, nefa mbola matin’ilay virosy ihany ny rahalahy sy anabavy sasany. (Mpitoriteny 9:11) Mampalahelo fa 872 izao ny rahalahy sy anabavintsika matin’ny coronavirus, maneran-tany. Tonga dia mampahery sy mampionona ny havan’izy ireo ny mpiara-manompo amintsika. (1 Korintianina 12:26) Ny zava-dehibe indrindra dia hoe mitoky amin’i Jehovah daholo isika. Tanterahiny foana mantsy ilay fampanantenany ao amin’ny Filipianina 4:7 hoe homeny “ny fiadanan’Andriamanitra” isika.

Unnützer mivady

Anisan’ny nahazo fampiononana avy amin’ny fandaminan’i Jehovah i Hannchen Unnützer, anabavy mpisava lalana manokana any Bolzano, any amin’ny faritra avaratr’i Italia. Mampalahelo fa matin’ny coronavirus ny Rahalahy Manfred Unnützer vadiny, tamin’ny 28 Martsa 2020. Efa mpanompo manontolo andro manokana nandritra ny 58 taona latsaka kely ny Rahalahy Unnützer, ary 54 taona latsaka kely no niarahan’ny vadiny nanompo manontolo andro niaraka taminy. Niaraka nanao ny asan’ny faritra nandritra ny 25 taona izy mivady. Rahalahy sy anabavy efa ho 1 000, any amin’ny firenena samihafa, no nanaraka an’ilay lahatenim-pandevenana tamin’ny alalan’ny vidéoconférence.

Hoy ny Ranabavy Unnützer: “Tena mankasitraka ny ranadahy sy rahavavy aho. Tsy avelan-dry zareo ho irery mihitsy aho na dia adiny iray fotsiny aza. Tsapako hoe tia ahy ry zareo. Mampahery sy mampionona ahy amin’ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly ry zareo dia mikarakara an’izay ilaiko. Tiako be daholo ny mpiara-manompo.”

Nampahery an’i Maria Jose Moncada sy Darwin vadiny koa ny rahalahy sy anabavy. Manompo any amin’ny faritany miteny quechua any amin’ireo tendrombohitra any Ekoatera izy mivady. Mampalahelo fa matin’ilay aretina ny ray aman-drenin’ny Ranabavy Moncada. Nifanao enina andro ny nahafatesan’ny Ranabavy Fabiola Santana Jordan, 56 taona, mpisava lalana maharitra, sy ny Rahalahy Ricardo Jordan, 60 taona, mpanampy amin’ny fanompoana ao amin’ny Fiangonana Praderas, any Guayaquil. Tratran’ny COVID-19 koa izy roa lahy anadahin’ny Ranabavy Moncada, fa avy eo sitrana.

Moncada mivady mankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo

Nalahelo be mihitsy ny Ranabavy Moncada, dia te ho any amin’ny fianakaviany mba hampahery azy ireo sy hanampy amin’ny fikarakarana ny fandevenana. Adiny efatra ny lalana mankany amin’ny havany. Nivavaka mafy momba an’izany anefa izy mivady dia nanapa-kevitra hoe aleo tsy mandeha any Guayaquil. Nanao vidéoconférence tamin’ny havany kosa izy mivady. Hoy ny Ranabavy Moncada: “Raha nankany amin’ny havanay izahay, dia mety ho narary koa sady mety ho namindra aretina tamin’ny olon-kafa.”

Nilaza ny Ranabavy Moncada hoe nalahelo be izy sady niady saina mafy nefa nanohy nanompo an’i Jehovah foana izy mivady. Nilaza izy hoe tsy nitsahatra nivavaka tamin’i Jehovah izy ireo sady nangataka tari-dalana taminy. Niomana ho amin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy izy mivady ary nanasa mpianatra Baiboly hanatrika an’ilay fandaharana. Novakin’izy mivady tao amin’ny Baiboly koa ny fitantarana momba ny zavatra niainan’i Jesosy nandritra an’ireo andro faramparany niainany teto an-tany. Mitory an-taratasy izy ireo ary mivory miaraka amin’ny fiangonany amin’ny alalan’ny vidéoconférence. Sivy amin’ny havan’ny Ranabavy Moncada no nanaiky rehefa nasainy hanatrika Fahatsiarovana tamin’ny teny espaniola, tamin’ny alalan’ny vidéoconférence.

Hoy ny Ranabavy Moncada: “Nampahery be anay ny nahita ny olona nampianarinay Baiboly niezaka nampiasa fitaovana elektronika mba hanarahana ny lahatenin’ny Fahatsiarovana, na dia sarotra be tamin’izy ireo aza ny nanao an’izany.” Hoy ihany izy: “Gaga izahay sady faly rehefa nahita ny havanay nanaraka an’ilay lahateny na dia mipetraka any amin’ny firenena hafa aza izy ireo.”

Hoy koa ny Ranabavy Moncada: “Hitanay tamin’iny hoe na mafy be aza ny manjo antsika dia ny manohy manompo an’i Jehovah ihany no fomba tsara indrindra iatrehana an’izany. Tsy afaka mitahy antsika i Jehovah raha tsy manao zavatra isika.”

Miara-ory amin’izay namoy havana tamin’ity valanaretina ity ny rahalahy sy anabavy maneran-tany ary hivavaka ho azy ireo foana. Efa tsy andrintsika ny fotoana hanesoran’i Jehovah an’izay rehetra mampijaly antsika, anisan’izany ny areti-mandringana. Tsy andrintsika koa ny fotoana hananganany ny mpanompony rehetra amin’ny maty.—1 Korintianina 15:21, 22.