Hijery ny anatiny

Ranabavy Fumiko Takehara sy Naoki zanany, miaraka mijery lahatsoratra ao amin’ny Vaovao JW mandritra ny fotoam-pivavahan’ny fianakaviana

8 MARTSA 2021
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Mampiasa ny Lahatsoratra ao Amin’ny Vaovao JW ny Ray Aman-dreny mba Hanampiana ny Zanany ho Be Herim-po Rehefa Misy Fitsapana

Mampiasa ny Lahatsoratra ao Amin’ny Vaovao JW ny Ray Aman-dreny mba Hanampiana ny Zanany ho Be Herim-po Rehefa Misy Fitsapana

Be dia be ny ray aman-dreny Vavolombelona mampiasa ny lahatsoratra mivoaka ao amin’ny Vaovao JW, mba hanampiana ny zanany hanatanjaka ny finoany.

Manan-janaka lahy 12 taona atao hoe Naoki ny ranabavy Fumiko Takehara, avy any Japon. Miaraka mamaky sy mandinika an’ireo tatitra ao amin’ny Vaovao JW izy mianaka. Ataony printy ny sarin’ireo rahalahy sy anabavy ao, dia apetany amin’ny rindrina. “Tononinay tsirairay ao amin’ny vavaka ataonay ry zareo,” hoy i Fumiko. “Mampahery anay ny mieritreritra hoe hataon’i Jehovah izay hahafaly ny vahoakany na dia migadra aza. Dia hitanay amin’ny endrik’ireo ranadahy sy rahavavy mihitsy hoe faly ry zareo. Manampy ny zanako tsy hivadika amin’i Jehovah ny modelin-dry zareo, rehefa any am-pianarana izy.”

“Mijery ao amin’ny jw.org foana aho isan’andro hoe sao dia misy lahatsoratra vaovao ao amin’ny Vaovao JW,” hoy Rahalahy Kilanko Zannou, avy any Côte d’Ivoire. Ampidirin’i Kilanko amin’ny fotoam-pivavahan’ny fianakaviany ireny vaovao ireny matetika. Hitany hoe tena ohatra tsara ho azy sy ny fianakaviany ny herim-po asehon’ny mpiara-manompo miaritra fitsapana. Na i Matthias, zanany lahy fito taona aza tena mandray soa amin’ilay izy.

Zannou mianakavy mandinika lahatsoratra ao amin’ny Vaovao JW mba ho be herim-po rehefa mitory

Natahotra ny hitory tamin’ny mpiara-mianatra taminy i Matthias kely. Tantarain’i Kilanko hoe: “Rehefa vita ilay fotoam-pivavahan’ny fianakavianay, dia faly be i Matthias niteny hoe: ‘Tsy matahotra mitory intsony aho izao!’”

Namaky lahatsoratra anankiroa tamin’ny zanany ny Rahalahy Holmes Simatupang, avy any Indonezia. Notantaraina tao amin’ilay izy hoe nisy tanora Vavolombelona vitsivitsy avy any Indonezia, voaroaka tany am-pianarana satria tsy nety nanangan-tsaina.

Hoy ny Rahalahy Simatupang: “Mitovy amin’ny zavatra niainan-dry zareo mihitsy ny zavatra atrehin’ny zanakay any am-pianarana. Manery an-dry zareo hanangan-tsaina sy hanao hiram-pirenena ary hanao zavatra misy ifandraisana amin’ny fivavahana foana ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra aminy. Dia nisy fotoana lasa natahotra ho any am-pianarana ny zanakay.”

Simatupang mianakavy mandinika lahatsoratra roa ao amin’ny Vaovao JW momba ny tanora tsy nivadika tany am-pianarana

“Tsy natahotra intsony ry zareo rehefa avy niara-nianatra an’ilay lahatsoratra anankiroa tamin’ny fotoam-pivavahan’ny fianakaviana izahay,” hoy ihany i Holmes. “Lasa vonona hanazava tsara ny antony mahatonga azy tsy hanangan-tsaina ry zareo avy eo, dia tsy natahotra be intsony hoe sao dia ho voaroaka tany am-pianarana.”

Izao indray no tantarain’ny Ranabavy Lady Nery Passos, avy any Brésil: “Mbola vao dimy na enin-taona teo ho eo i Pedro, dia efa nila nanazava tany am-pianarana hoe maninona izy no tsy manao aniversera.” Tonga dia nieritreritra an’ireo rahalahy sy anabavy niomana hiatrika fitsarana resahina ao amin’ny Vaovao JW izy, mba hanampiana an’i Pedro. Tantarainy hoe: “Manao famerenana kely izahay rehefa fotoam-pivavahan’ny fianakaviana, hoe hoatran’ny ahoana ny zavatra mety hitranga any am-pianarana, dia inona no tokony hataony rehefa misy manao aniversera any am-pianarana.” Nanampy an’i Pedro ho vonona tsara hiaro ny finoany ilay izy.

Rahalahy sy Ranabavy Passos mampiasa lahatsoratra ao amin’ny Vaovao JW ampianarana ny zanany hiaro ny finoany

Mampahatsiahy antsika ny lahatsoratra ao amin’ny Vaovao JW hoe tena mampahery sy mikarakara an’izay tsy mivadika aminy i Jehovah. Manana porofo be dia be isika izao hoe ho “feno fifaliana sy fanahy masina” isika rehefa miatrika fitsapana ka hahavita hiaritra.—Asan’ny Apostoly 13:50-52.