30 DESAMBRA 2019
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
Manampy Olona Be dia Be ny Vavolombelon’i Jehovah Taorian’ny Rivo-doza Idai
Nandravarava ny morontsiraka atsimoatsinanan’i Afrika ny Rivo-doza Idai, tamin’ny Martsa 2019. Nanangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) 14 avy hatrany ny biraon’ny sampan’i Malawi sy Mozambika ary Zimbabwe, mba hanampiana ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireo faritra ireo. Trano 1434 an’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireo firenena telo ireo no simba, nefa efa voaorina sy voamboatra sahady ny 650 mahery amin’ireo trano ireo. Efitrano Fanjakana 29 koa no simba, nefa efa voaorina sahady ny 8 ary efa voamboatra ny simba tamin’ny Efitrano Fanjakana 10.
Rahalahy sy anabavy 3500 mahery no efa nandray anjara tamin’ny asa fanampiana an’ireo tra-boina any amin’ireo firenena telo ireo, tao anatin’izay sivy volana izay. Avy any an-tany lavitra ny sasany amin’izy ireo, ohatra hoe Brezila, Etazonia, Frantsa, Italia, ary ny firenena hafa any Afrika. Afaka nampiofana ny rahalahy eo an-toerana ny mpiasa an-tsitrapo za-draharaha mba hananan’izy ireo fahaizana tena ilaina, ohatra hoe manao trano na mandrafitra.
Potika ny 70 isan-jato teo ho eo amin’ny fambolen’ny mpiara-manompo tany Manica sy Sofala, any Mozambika, taorian’ny fandalovan’ny Rivo-doza Idai. Nanaraka ny toromariky ny sampana ny KVRV tany amin’ilay faritra, ka nizara sakafo 430 taonina teo ho eo. Natao mifanaraka amin’ny sakafo fihinan’ny olona any ny zavatra nalefa tany, anisan’izany ny vovo-katsaka, tsaramaso, menaka, sira, ary siramamy. Nizarana masomboly dimy taonina koa izy ireo mba hamboleny voatabiha, katsaka, vary, ary voa hafa tena ilaina.
Mieritreritra ny sampan’i Malawi hoe ho vita amin’ny Febroary 2020, fara fahatarany, ny fanampiana ny tra-boina any. Kasaina ho vita amin’ny Janoary 2020 kosa, fara fahatarany, ny any Mozambika. Efa vita tamin’ny Septambra 2019 ny tany Zimbabwe. Tombanana ho 4 tapitrisa dolara amerikanina ny vola lany amin’izany rehetra izany.
Hoy i Trent Edson, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Zimbabwe ary ao amin’ny Biraon’ny Vonjy Rano Vaky: “Rava ny tranon’ny rahalahy sy anabavy sasany ary tsy omby tratra ny hafalian’izy ireo rehefa naverina naorina ny tranony. Manohina ny fo ny mahita hoe tena manampy sy mampahery be daholo na ny mpiara-manompo avy lavitra na ny avy eto an-toerana. Be dia be mihitsy no te hanao zavatra mba hanampiana.”
Manohina ny fo tokoa ny fitiavana asehon’ny rahalahy amin’ny “fotoam-pahoriana” hoatr’ireny. Miombom-pihetseham-po amin’ireo rahalahy sy anabavy 10000 mahery tratran’iny rivo-doza tany Afrika iny isika, ka misaotra an’i Jehovah noho izany fanehoam-pitiavana izany.—Ohabolana 17:17.
Naverina naorina ny tranon’ny Rahalahy Welosi Mbendera sy ny vadiny, Ranabavy Esinala Mbendera, ao amin’ny Fiangonana Nkolong’onjo any Malawi
Ny Rahalahy Nehemiah Tigere sy ny vadiny, Ranabavy Fatima Sengami Tigere, eo anoloan’ilay tranony naverina naorina, any Zimbabwe
Ny Rahalahy Witness Jabu sy Augustine Kamadzi, mpiandraikitra ny faritra, mampahery fianakaviana Vavolombelona any Nchalo, Malawi. Simba ny tranon’io fianakaviana io
Rahalahy ao amin’ny toby fanampiana tra-boina ao Chimoio, mampidina masomboly avy ao amin’ny kamiao iray mba hozaraina amin’ny rahalahy any Mozambika
Rahalahy handeha hiampita lakana eo amin’ny Reniranon’i Shire mba hanatitra fanampiana ho an’ny rahalahy mipetraka eny akaikin’ny sisin-tanin’i Mozambika
Rahalahy sy anabavy mitondra an’ireo fanampiana avy any amin’ny mpiara-manompo any Malawi mankany amin’ny Efitrano Fanjakana any Tengani, Mozambika, toerana hizarana an’ireo fanampiana ireo
Tonga ao amin’ny Efitrano Fanjakana any Tengani, Mozambika, ny fanampiana an’ireo rahalahy sy anabavy