Hijery ny anatiny

20 APRILY 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Manao Fanomezana Amin’ny Alalan’ny Internet ny Rahalahy sy Anabavy Noho ny COVID-19

Manao Fanomezana Amin’ny Alalan’ny Internet ny Rahalahy sy Anabavy Noho ny COVID-19

Tsy maintsy nanova ny fomba fitoriny sy ny fomba ivoriany ny rahalahy sy anabavy any amin’ny tany maro satria miparitaka ny coronavirus. Be dia be no tsy mivory any amin’ny Efitrano Fanjakana intsony aloha fa mivory amin’ny alalan’ny vidéoconférence. Betsaka àry no nanova ny fomba anohanany ny asa fitoriana maneran-tany ka lasa manao fanomezana amin’ny alalan’ny Internet.

Afaka manao fanomezana amin’ny alalan’ny Internet ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany 112 mahery. Mampiasa karatra fandoavam-bola na fitrosana, ohatra, izy ireo rehefa manao an’izany ao amin’ny donate.pr418.com.

Manao fanomezana mitohy ao amin’ny donate.pr418.com ny rahalahy sy anabavy maro satria tsy afaka manao fanomezana any amin’ny Efitrano Fanjakana intsony ny ankamaroany. Hoatr’izany no ataon’ny anabavy iray mipetraka any Etazonia. Susan Cohen no anarany ary 74 taona izy. Hoy izy: “Tsotra kely ny fanaovana azy. Izaho aza afaka manao an’ilay izy, dia mainka moa fa ny hafa! Faly be aho hoe mbola afaka manao fanomezana hanohanana ny asa fitoriana atao maneran-tany ihany.”

Taloha ny Rahalahy Eduardo Paiva, any Brezila, nieritreritra hoe natao ho an’izay tsy afaka mandrotsaka fanomezana mivantana ny donate.pr418.com. Hoy izy: “Tato ho ato aho vao nahatsapa hoe io no fomba mety indrindra raha te hanohy hanohana ny asa atao maneran-tany ianao na dia rehefa misy loza aza. Asehonao mantsy hoe be fitiavana sy feno fankasitrahana foana ianao amin’izao andro farany izao.”

Izao no lazain’ny Rahalahy Gajus Glockentin, mpiandraikitra ao amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Warwick, New York: “Mampahery ny mahita hoe te hanohana ny asa fitoriana ireo rahalahy. Tena ankasitrahanay ireny fanomezana ireny. Mandinika foana izahay hoe ahoana no hitsitsiana ny volan’ny fandaminana, amin’izay mba miasa tsara ny fanomezana voarainay. Na dia voatery nampihena ny vola ataony fanomezana aza ny olona sasany, dia tsy nihena mihitsy ny fahavononany hanohana ny fandaminan’i Jehovah.”—2 Korintianina 9:7.