Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Miguel Silva sy Mónica vadiny, mijery ny tantaran’ny Konstantin Bazhenov ao amin’ny Vaovao JW

9 APRILY 2021
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Manatanjaka sy Mampiray Saina Antsika Eran-tany ny Vaovao JW

Manatanjaka sy Mampiray Saina Antsika Eran-tany ny Vaovao JW

Manampy antsika hiaritra ny lahatsoratra momba ny rahalahy sy anabavintsika, ao amin’ny Vaovao JW. Lasa fantatsika ry zareo satria eo ny sariny, dia ny tantarany sy ny zavatra lazainy indray manatanjaka sy mampiray saina antsika sady manome toky antsika hoe faly ry zareo na dia miaritra aza. Ireto tantara ireto no ahitana hoe tena mandray soa amin’ireny lahatsoratra ireny ny rahalahy sy anabavy eran-tany.

Mifantoka amin’izay azontsika atao

Mba niova be hoatran’ny antsika koa fiainan’ny Rahalahy Miguel Silva sy Mónica vadiny (eo amin’ny sary etsy ambony) rehefa nisy an’ilay valanaretina. Mpisava lalana manokana ry zareo. Tena mampitebiteby sy mandreraka ilay valanaretina. Nampahery an-dry zareo anefa ilay tatitra momba ny Rahalahy Konstantin Bazhenov tao amin’ny Vaovao JW. Mba te hamaky Baiboly i Konstantin kanefa tsy afaka nahazo Baiboly mihitsy, tany am-ponja. Tsy kivy anefa izy, dia hoe nijanona fotsiny tamin’izao, fa nanamboatra ny “Baiboliny” manokana, ka izay andinin-teny rehetra efa hainy tsianjery no nataony tao. Nampianatra zavatra tsara be an’i Miguel sy Mónica izany. Hoy i Miguel: “Aleonay tsy mifantoka amin’izay tsy azonay atao amin’izao valanaretina izao, fa mifantoka amin’izay mbola azonay atao ato an-trano sady tena mankasitraka an’izany.”

Te hanatsara ny famakiany Baiboly isan’andro sy ny fisaintsainany koa i Miguel sy Mónica. Hoy i Mónica: “Matoky izahay hoe hampahatsiahivin’i Jehovah anay daholo ny zavatra ianaranay sy angoninay ato am-ponay rehefa mandeha ny fotoana.” Hoy koa i Miguel: “Nanampy anay ny tantaran’ny Rahalahy Bazhenov, satria na dia hoatran’ny hoe migadra ato an-trano aza izahay amin’izao valanaretina izao, dia afaka mampahery ny mpiara-manompo hafa, mihira fiderana ho an’i Jehovah, ary manatsara ny vavaka ataonay.”

Lasa tsy matahotra na enjehina aza

Ny Anabavy Christine Mouhima Etonde, mamaky ny tantaran’ny rahalahintsika enjehina any Rosia

Niaiky ny Anabavy Christine Mouhima Etonde, mpisava lalana maharitra any Cameroun, fa natahotra be foana izy tao anatin’ny taona maromaro rehefa namaky tantara momba ny fanenjehana. Niova anefa izany tatỳ aoriana. Hoy izy: “Tena niova tanteraka ny toe-tsaiko rehefa avy namaky ny lahatsoratra tao amin’ny Vaovao JW momba ny ranadahy sy rahavavy nenjehina aho. Lasa vao mainka aho te hahafantatra an’i Jehovah kokoa, rehefa mamaky ny toe-tsain’ireny mpiara-manompo amiko ireny, ny vavaka voafaritra tsara ataony, ilay ry zareo mitsikitsiky, ary ilay ry zareo miomana mialoha be amin’ny fanenjehana, na firy taona izy na firy taona. Vao mainka aho tia an’i Jehovah ka lasa tsy matahotra intsony aho na henjehina aza. Hitako erỳ aho amin’izany mivavaka sy misaintsaina momba an’i Jehovah sady mbola falifaly tsara.”

Tokony ho vonona hiaro ny finoantsika isika

Ny Rahalahy Iulian Nistor sy Oana vadiny, miara-mandinika lahatsoratra ao amin’ny Vaovao JW, momba ny rahalahy sy anabavy miaro ny finoany

Tena nanohina ny fon’ny Rahalahy Iulian Nistor sy Oana vadiny, avy any Romania, ny zavatra nataon’ny Rahalahy Anatoliy Tokarev hiarovana ny finoany tany amin’ny fitsarana. Tony izy, nanaja olona, nefa tapa-kevitra ny tsy hivadika. Lasa nisaintsaina koa i Iulian sy Oana hoe ahoana no hataon-dry zareo raha ry zareo no any amin’ny fitsarana, dia miezaka miaro ny finoany any. Hoy i Oana: “Manao fotoam-pivavahan’ny fianakaviana izahay dia eritreretinay hoe eny amin’ny tribonaly izahay, sady miaro ny finoanay. Tena tsy mora ilay miresaka ny zavatra inoantsika kanefa sady tsara fanahy sy manaja hoatran’ny ataon’ireny ranadahintsika ireny.” Hoy koa izy: “Rehefa tapitra ilay fotoam-pivavahan’ny fianakavianay dia tsapanay hoe akaiky kokoa an’ireny ranadahy sy rahavavy ireny izahay. Lasa hitanay koa hoe tena mila miomana mialoha mba hiarovana ny finoantsika isika. Tena mila tadidina foana koa hoe maninona no mampirehareha antsika ilay isika hoe Vavolombelon’i Jehovah.”

Mila dinihintsika tsara hoe hoatran’ny ahoana ny hatsaran’ny vavaka ataontsika

Ny Anabavy Anna Ravoajarison avy any Madagascar, mandinika lahatsoratra vao nivoaka vao haingana, ao amin’ny Vaovao JW

Lasa te hanatsara ny vavaka ataony ny Anabavy Anna Ravoajarison avy any Madagasikara. Hoy i Anna, rehefa avy namaky ny tantaran’ny Rahalahy Jovidon Bobojonov: “Hoatran’ny lasa fahazarana fotsiny ny vavaka ataoko rehefa ilay variana be amin’ny zavatra fanaoko andavanandro iny aho. Lasa mitovy foana ny fehezan-teny teneniko, raha vao tsy maka fotoana kely hieritreretana an’izay holazaiko amin’i Jehovah aho.” Mipetraka eo amin’ny toeran’i Jovidon mihitsy izy, rehefa misaintsaina momba ny tantarany. Dia misaintsaina eo izy hoe: ‘Tena hahavita hiteny zavatra voafaritra be hoatr’izany ve izaho raha izaho no enjehina hoatr’izany?’ Hoy ihany izy: “Tena hitako tamin’iny hoe mila manokana fotoana kely hisaintsaina an’izay holazaiko amin’i Jehovah aho alohan’ny hivavaka. Tena faly aho nisy an’ireny fitantarana ireny.”

Mila mangoraka kokoa an’ireo mpiara-manompo amintsika isika

Ny Rahalahy Ruben Catarino sy Andreia vadiny, mamaky tantarana mpivady any Rosia, nenjehina noho ny finoany

Lasa akaiky kokoa amin’ny mpiara-manompo aminy ny Rahalahy Ruben Catarino sy Andreia vadiny, mpisava lalana maharitra any Portogaly. Hoy i Ruben: “Taloha rehefa misy rahalahy sy anabavy enjehina any amin’ny tany hafa dia tsy misy zavatra fantatray momba an-dry zareo. Tsy fantatray hoe iza ry zareo, hoatran’ny ahoana ny fiainany, na inona ny zavatra niaretany. Lasa fantatray tsara anefa ny rahalahy sy anabavy enjehina amin’izao, noho ireny lahatsoratra ireny. Afaka manao vavaka voafaritra tsara momba an-dry zareo izao izahay. Lasa akaiky kokoa an’ireny rahalahy sy anabavy ireny izao izahay, sady lasa tsapanay hoe misy vokany kokoa ny vavaka ataonay.”

Tena zava-dehibe ny fianarana samirery

Ny Anabavy Cecilia Cardoso, mampiasa ny Vaovao JW amin’ny fianarana samirery fanaony

Azo antoka fa mitovy hevitra amin’ny Anabavy Cecilia Cardoso, mpisava lalana maharitra any Portogaly, ny ankamaroantsika. Hoy izy: “Lasa hitako kokoa izao hoe tena zava-dehibe ny manao fianarana samirery, rehefa mahita ny zavatra atrehin’ny mpiara-manompo aho. Hiantehitra kokoa amin’i Jehovah aho satria mampitombo ny fianarako samirery, dia vao mainka ho tiako kokoa izy. Hampiany mantsy aho hijery ny zavatra mampatahotra an’ahy ho hoatran’ny fasika faran’izay kely. Lasa haiko izao hoe raha mbola miantehitra amin’i Jehovah isika dia tsy hatahotra izany mihitsy.”

Tena faly isika fa misy tantarana mpiara-manompo be herim-po sy manam-pinoana be dia be ao amin’ny jw.org. Hanampy antsika “ho be herim-po” ireny tantara ireny, “ka hilaza hoe: ‘I Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho.’”​—Hebreo 13:6.