26 JANOARY 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
Mandray Soa Kokoa Amin’ny Fivoriambe ny Jamba sy ny Tsy Mahita Tsara Satria Misy Feo Manazava Sary
Telo taona amin’ity izao no misy feo manazava sary amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra fanaontsika isan-taona. Manazava ny sary sy ny zava-mitranga ao amin’ny video ilay feo, ary ny jamba sy ny tsy mahita tsara no tena mampiasa an’ilay izy. Manao an’izany ezaka izany ny Vavolombelon’i Jehovah satria tian-dry zareo hahazo sakafo ara-panahy tsy tapaka ireo jamba 43 tapitrisa eo ho eo sy ireo olona 295 tapitrisa eo ho eo tsy mahita tsara eran-tany.
Izao no nolazain’ny Pr. Joel Snyder, talen’ny fikambanana iray mpamoaka feo manazava sary sady manam-pahaizana amin’io resaka io: “Tena miaiky anareo Vavolombelon’i Jehovah aho amin’ny fanampianareo ny jamba sy ny olona tsy mahita tsara! Asianareo feo manazava sary mantsy amin’ny video avoakanareo, amin’izay maharaka an’izay mitranga ao amin’ilay izy ireny olona ireny. Vitsy ihany ny mpamokatra video mieritreritra ny hanao an’izany. Tena misaotra anareo Vavolombelon’i Jehovah!”
Rehefa nanapa-kevitra ny Filan-kevi-pitantanana hoe hatao video ny fandaharana amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2020 noho ny valanaretina, dia nanapa-kevitra koa ry zareo hoe hasiana feo manazava sary amin’ilay izy. Ny Sampan-draharaha Foiben’ny Fandikan-teny any Warwick, any New York, no namokatra ny feo manazava sary ho an’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2020. Tamin’ny 2021 indray dia ny Sampan-draharaha Mikarakara ny Lahatsoratra, any amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana any Patterson, any New York, no lasa nanao azy. Nanaraka fiofanana tao amin’ny Internet ilay ekipa hanao an’ilay izy, amin’izay mba tena hanampy ny jamba ny feo manazava sary avoakan-dry zareo.
Nilaza ny Pr. Snyder hoe “azo ampiofanina hanazava tsara ny zavatra hitany ny olona.” Nilaza izy hoe mila mampiasa “teny fohy sy mazava ary ahafahana maka sary an-tsaina an’izay mitranga” ilay olona.
Ahoana no ataon’ny ekipan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa hanisy feo manazava sary amin’ny ampahana video amin’ny fivoriambe? Ny raki-peo fotsiny aloha no henoin-dry zareo fa tsy jereny ilay video, amin’izay tsapan-dry zareo hoe raha jamba ny olona iray na tsy mahita tsara, dia hoatran’ny ahoana no ho fahazoany an’ilay izy. Samy manoratra an’izay hevitra voarainy izy ireo avy eo. Alefa ilay video aorian’izay, dia marihin-dry zareo hoe aiza no tsy misy miteny satria eo amin’ireny fiatoana ireny no asiana ny feo manazava sary.
Sarotra ny mampiditra feo manazava sary any anaty video satria tsy maintsy atao eny amin’izay tsy misy miteny ilay izy. Hoy i Michael Millen, miara-miasa amin’ny ekipan’ny mpanao feo manazava sary an’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Kely ny toerana azo ampidirana an’ilay fanazavana, dia tsy maintsy jerenay hoe inona no tena ilaina mba hampahazava an’ilay video. Fanazavana momba ny fotoana, ny toerana, ny mpilalao, ary ny zavatra atao ao amin’ilay izy no ezahinay havoaka.”
Tsy maintsy mitandrina ilay ekipa mba tsy haneho ny heviny rehefa mamoaka feo manazava sary. Izao no torohevitry ny Pr. Snyder ao amin’ilay bokiny hoe The Visual Made Verbal: “Ataovy tsotra ilay fanazavana, dia avelao ny mpihaino haka sary an-tsaina an’izay mitranga ao amin’ilay video. Tsy mety, ohatra, ny milaza hoe: ‘Tezitra be ilay lehilahy’, na hoe: ‘Malahelo ilay vehivavy.’ Aleo kosa hoe: ‘Mamonkina ny totohondriny ilay lehilahy’, na hoe: ‘Mirotsaka ny ranomason’ilay vehivavy.’ ”
Rehefa voasoratr’ilay ekipa ny fanazavana hampiarahina amin’ny sary ao amin’ilay video, dia raisina feo amin’izay ilay izy. Tsy maintsy vakina amin’ny fomba tsotra ilay izy fa tsy asiana fihetseham-po. Hoy i Michael Millen: “Tsy tokony hifaninana amin’ny feon’ireo mpilalao ao amin’ilay video ny feon’ilay olona manazava sary. Raha mafana fo loatra izy, dia mety hieritreritra ny mpihaino hoe anisan’ny mpilalao ao amin’ilay video koa izy.”
Rehefa vita ny fandraisam-peo, dia karakarain’ny ekipa mpikirakira ny lafiny teknika ilay feo, dia avy eo alefa any amin’ny sampana rehetra mba hadikan-dry zareo amin’ny fiteny ampiasaina any amin’ny taniny. Nilaza i Michael hoe raha jerena ny fotoana lany tamin’ny famoronana ny feo manazava sary ho an’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2020 sy 2021, dia adiny telo teo ho eo isaky ny video iray minitra.
Mandika zavatra isan-karazany amin’ny fiteny 1 000 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao. Na dia tsy tafiditra amin’izany aza ny feo manazava sary, dia mihevitra azy io ho fiteny manokana mihitsy ny olona sasany. Hoy ihany i Michael: “Fandikan-teny ho an’ny jamba ny feo manazava sary, raha ny marina. Adika ho lasa feo mantsy ny sary miseho ao amin’ny video.”
Tena misaotra an’i Jehovah isika satria ataony izay hahafahan’ny karazan’olona rehetra handray soa avy amin’ny sakafo ara-panahy be dia be omeny!—Isaia 65:13.