Hijery ny anatiny

3 DESAMBRA 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Mankasitraka An’ilay Ezaka Manokana Hitoriana Momba Ilay Fanjakana (2020) ny Manam-pahefana

Mankasitraka An’ilay Ezaka Manokana Hitoriana Momba Ilay Fanjakana (2020) ny Manam-pahefana

Nozarain’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny havany sy ny mpandraharaha ary ny olon-kafa liana Ny Tilikambo Fiambenana ho an’ny besinimaro No. 2 2020 nandritra ny volana Novambra. Nampiavaka an’iny ezaka manokana iny koa ilay hoe nozaraina tamin’ny manam-pahefana isan-tsokajiny ilay gazety. Be dia be ny tatitra mampahery efa voarain’ny biraon’ny sampana maro.

Nandefa taratasy fankasitrahana ho an’ireo rahalahy nandefa an’ilay gazety tany aminy i Rex Bhonapha, Minisitra Lefitra ao amin’ny Minisiteran’ny Fananan-tany sy ny Toeram-ponenana ary ny Fanajariana ny Tany, any Sierra Leone. Hoy koa izy: “Mampiaiky ahy ny gazetinareo satria mahavelom-bolo sy ahafantaran-javatra be. Lasa mamaky an’ilay izy isan’andro aho izao.”

Nandefa taratasy ho an’ny rahalahintsika ny praiminisitra any Samoa mba hisaorana azy ireo sy hilazana amin’izy ireo hoe tena sarobidy aminy ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Nilaza koa Atoa Tuimalealiifano Vaaletoa Sualauvi II, filoham-panjakana any, hoe tena mankasitraka ny fampianarana Baiboly ataontsika izy. Nohazavainy hoe “manampy olona sy mampianatra azy ireo momba ny Baiboly [izany] ka lasa miova ilay olona.” Noderainy koa ny Vavolombelon’i Jehovah satria nampiato ny fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana sy ny fitoriana isan-trano, noho ny fiparitahan’ny COVID-19.

Hoy i Osvaldo Cartagena García, Sekretera Monisipaly any Silia: “Enga anie izao ezaka manokana ataonareo izao ka hampianatra ny manam-pahefana rehetra eto amin’ny firenentsika, ary handrisika azy ireo hanao soa ho an’ny fiaraha-monina, indrindra amin’izao olana atrehintsika eto amintsika sy maneran-tany izao!”

Nanoratra tany amin’ny sampan’i Eoropa Afovoany, any Alemaina, ny mpikambana iray ao amin’ny parlemanta alemà (Deutscher Bundestag). Hoy izy: “Haiko tsara ny fivavahanareo. Manaja anareo aho. Haiko tsara hoe tena be herim-po ny mpivavaka ao aminareo rehefa mampahafantatra ny tenany hoe Vavolombelon’i Jehovah. ... Fantatro koa hoe ny mpivavaka ao aminareo no niaritra ny mafy indrindra tamin’ny andron’ny Nazia.”

Nisaoran’ny minisitera iray any Alemaina koa ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny fampiononana omentsika ny olona mandritra ny fiparitahan’ny COVID-19. Izao no nosoratan’izy ireo: “Manampy ny fiaraha-monina hiray saina izany ataonareo izany.”

Olona roa ao amin’ny governemanta no nanoratra tany amin’ny sampan’i Kolombia, mba hisaotra an’ireo rahalahy tamin’ilay gazety. Nilaza izy ireo fa hozarainy amin’ny olona io gazety io. Nanoratra koa ny manam-pahefana iray ao amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra hoe: “Misaotra betsaka anareo nandefa an’ilay Tilikambo Fiambenana tatỳ amiko fa tena mamonjy aina ny zavatra raketiny!”

Hoy i Frank Okyere, ambasadaoron’i Ghana any Japon: “Ahalalana zavatra betsaka ilay gazety satria asongadiny ao ny vahaolana amin’ny olana maro atrehin’ny olombelona.”

Hoy koa ny ambasadaoro iray avy any Azerbaïdjan: “Misaotra betsaka nandefa an’ilay laharana manokana amin’ny Tilikambo Fiambenana tatỳ amin’ny ambasady. Tena tiako ny namaky azy.”

Marina mihitsy ny tenin’ny Rahalahy Amaro Teixeira, ao amin’ny Biraon’ny Filazam-baovao any amin’ny sampan’i Mozambika. Hoy izy: “Tsy araka ny nieritreretantsika azy mihitsy ny vokatr’iny ezaka manokana iny. Maheno ny hafatra momba ilay Fanjakana na dia ny olona mety tsy ho hitantsika mihitsy aza.”

Azo antoka hoe mbola betsaka ny manam-pahefana sy ny olon-kafa mankasitraka antsika rehefa torina amin’ny olona “rehetra mitana toerana ambony” ny hafatra ao amin’ny Baiboly.—1 Timoty 2:2.