9 JONA 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
Manomboka Fiainana Vaovao any An-tany Hafa Ireo Mpitsoa-ponenana avy any Ukraine
Raha vao raikitra ny ady tany Ukraine, dia nandeha tany amin’ny gara any Kharkiv i Iryna Makukha, anabavy mpitovo 46 taona. Nanapa-kevitra ny hiala ao Ukraine izy satria izay no hitany hoe azo antoka kokoa. Efa nifanjevo be ihany ny olona ka miditra amin’ny lamasinina nefa tsy mahafantatra hoe ho aiza ilay izy. Notampenana ny varavarankelin’ilay lamasinina nandehanan’i Iryna mba tsy hisy hanafika. Rehefa nandeha ilay lamasinina vao fantany hoe ho any Slovakia ilay izy.
Any amin’ny Repoblika Tseky izao i Iryna no mipetraka. Tonga tao Prague renivohitra izy tamin’ny 3 Martsa 2022. Fanadiovana toeram-piasana no asa hitany. Miara-mipetraka amin’ny anabavy roa mpitsoa-ponenana avy any Ukraine izy. Mianatra teny tseky izy izao ary efa miverina manompo manontolo andro indray. Izany no efa nataony tao anatin’ny 20 taona.
Hoy i Iryna: “Hoatran’ny hitan’ny masoko mihitsy i Jehovah mampiasa ny vahoakany hikarakarana anay. Nanatanjaka be ny finoako izany.”
Rahalahy sy anabavy 23 000 eo ho eo no nanapa-kevitra ny hialokaloka any an-tany hafa. Nahita toerana azo antoka kokoa angamba ireo nanapa-kevitra ny hiala tao Ukraine. Mbola mila mitady asa sy trano anefa izy ireo, ary mila mikarakara taratasim-panjakana sy mampiditra ny zanany amin’ny sekoly vaovao, nefa sady mianatra fiteny hafa ihany. Hitan’izy ireo hoe ny fahazarana tsara amin’ny lafiny ara-panahy sy ny fitiavan’ny mpiara-manompo no tena nanohana azy ireo tao anatin’izany fotoan-tsarotra izany.
Nipetraka tany Mykolaiv any Ukraine ry Perceac, izany hoe i Anatoli sy Olena ary Alina, 17 taona. Potiky ny baomba anefa ny tanàna sasany tsy lavitra azy ireo ka nanomboka fiainana vaovao any Romania izy telo mianaka. Tamin’ny 6 Martsa 2022 izy ireo no nifindra tany. Mizaka ny zom-pirenena moldavianina i Anatoli ka afaka nitondra ny fianakaviany tany Romania. Hoy i Olena: “Tsy mora ilay mifindra atỳ an-tany hafa, satria hoatran’ny hazo nongotana teo amin’ilay tany naniriany ka afindra any an-toeran-kafa.”
Nanampy an-dry Perceac ireo rahalahy any Romania ka efa nahita trano ry zareo. Samy nahita asa koa i Anatoli sy Olena, ary i Alina kosa mampiasa Internet mba hanohizana ny fianarany ao amin’ilay sekoly nisy azy tany Ukraine.
Mikarakara an’izay zavatra ilain’izy mianakavy ireo rahalahy sy anabavy any Romania, sady mampahery sy manampy azy ireo hanana finoana matanjaka. Matetika no miaraka amin’izy mianakavy ireo rahalahy sy anabavy mba tsy hanirery any an-tanin’olona izy ireo. Mianatra fiteny romanianina i Olena sy Alina ka mampiasa an’ilay programa JW Language, sady miara-manompo amin’ireo rahalahy sy anabavy ao amin’ilay fiangonany vaovao. Anatoli kosa miteny romanianina efa hatramin’ny kely.
Hoy i Anatoli: “Efa hatramin’ny voalohany mihitsy no hitanay ny tanan’i Jehovah. Tsapanay mantsy hoe tia anay i Jehovah ka mampiasa ny fandaminana sy ireo rahalahy sy anabavy mba hanampiana anay.”
Talohan’ny ady no efa maty vady i Alina Havryliuk. Manan-janakalahy 16 taona izy, dia Vladyslav. Niala tany Vinnytsia any Ukraine izy mianaka ary tonga tany Suwałki any Polonina, tamin’ny 27 Febroary. Hoy i Alina: “Niasa saina ihany aho tamin’ny voalohany hoe aiza izahay mianaka no hipetraka ary inona no hivelomanay. Izaho koa anefa natoky an’i Jehovah hoe hikarakara anay izy.”
Tonga dia nitady asa mamela azy hivory i Alina, izay 37 taona. Manadio sekoly iray ny asa hitany. Hoy izy: “Afaka manompo bebe kokoa aho amin’io asako io sady afaka mamelona anay mianaka. Izay no tena zava-dehibe.”
Mianatra fiteny poloney izao i Alina sy Vladyslav ary manao mpisava lalana mpanampy mitohy ao amin’ny fiangonana miteny poloney. Niditra nianatra tany amin’ny lise koa i Vladyslav.
Tsy mampino ny zava-tsarotra iainan’ireo rahalahy sy anabavy avy any Ukraine, ary niova be koa ny fiainany. Omen’i Jehovah hery mihoatra noho ny an’ny olombelona anefa izy ireo. Mitovy amin’ity voalazan’ny 2 Korintianina 4:8 ity ny fihetseham-pon’izy ireo: “Voageja amin’ny lafiny rehetra izahay, nefa tsy hoe tery loatra ka tsy afa-mihetsika. Very hevitra izahay, nefa tsy hoe tsy misy lalan-kivoahana mihitsy.”