Hijery ny anatiny

26 FEBROARY 2021
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Mbola Manampy ny Tra-boina Foana ny Vavolombelon’i Jehovah Nandritra ny Taona Nisian’ny Loza Araka ny Natiora Betsaka Indrindra, na eo aza ny Valanaretina COVID-19

Mbola Manampy ny Tra-boina Foana ny Vavolombelon’i Jehovah Nandritra ny Taona Nisian’ny Loza Araka ny Natiora Betsaka Indrindra, na eo aza ny Valanaretina COVID-19

Tamin’ny taom-panompoana 2020 ny fandaminana no tena nanampy tra-boina betsaka indrindra hatramin’izay, ary mbola mitohy foana izany hatramin’izao. Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) 950 mahery no natsangana maneran-tany. Ankoatra ny valanaretina COVID-19, dia mbola nisy loza araka ny natiora sy loza nandravarava hafa koa, tamin’ny 2020. Nisy olana natrehin’ireo KVRV ireo anefa. Tsy maintsy nanaraka ny fepetra ara-pahasalamana mifandray amin’ny COVID-19 foana izy ireo, nefa nilain’ny mpiara-manompo maika ny fanampiana zarain’izy ireo. Nitantara ny rahalahy sy anabavy nandray anjara tamin’io fanampiana tra-boina io fa tena nanatanjaka ny finoan-dry zareo ilay izy. Ireto ny sasany tamin’ireo loza nahazo ny rahalahy sy anabavintsika:

Rivo-doza nandravarava

Nahatratra 126 ny rivo-doza tsy maintsy natrehin’ny rahalahy sy anabavy, nandritra ny taom-panompoana 2020, sady tena nahery vaika be daholo. Nisy fitomboana 11,5 isan-jato izany raha oharina amin’ny tamin’ny taom-panompoana 2019. Maro amin’ireo rivo-doza ireo no nitarika tondra-drano sy tany nihotsaka ary nanimba zavatra be.

Nisy rivo-doza maromaro, ohatra, nandravarava an’i Philippines, ka betsaka ny mpiara-manompo tsy maintsy nifindra toerana.

Tondra-drano tany Philippines vokatr’ilay Rivo-doza Vamco. Nifanao herinandro vitsivitsy io sy ilay rivo-doza mahery Goni, izay anisan’ny nahery vaika indrindra hatramin’izay

Nisy oram-be nivatravatra nanerana an’i Nizeria, dia simba daholo ny fambolen’ny mpiara-manompo.

Tondra-drano tany amin’ny Fanjakan’i Rivers, taorian’ilay oram-be nivatravatra tany Nizeria

Lava loatra ny fotoanan’ny orana tany Korea Atsimo, dia nanimba zavatra be ilay izy.

Tondra-drano tany Korea Atsimo, tamin’ny fotoanan’ny orana lava indrindra tany Korea Atsimo hatramin’izay

Afo

Nisy afo nandravarava be tany amin’ny firenena maromaro. Ny sasany tamin’ireny afo ireny aza no lasa afo lehibe indrindra nisy hatramin’izay.

Nampalahelo, ohatra, ny rahalahy sy anabavy sasany satria nisy afo niredareda be tany amin-dry zareo, ka faritra mirefy 400 000 hektara mahery no kila tanteraka.

Izany no nitranga tany Etazonia.

Afo tany Kalifornia, any Etazonia

Nisy afo nandravarava be koa tany Aostralia, ary nisy vokany tamin’ny mpiara-manompo izy ireny.

Afo tany Aostralia

Voaro tsara daholo ny mpiasa an-tsitrapo

Taorian’ireny loza ireny, dia namoaka toromarika ny fandaminana mba hiarovana an’izay nandray anjara tamin’ny fanampiana sy ireo mpiara-manompo nila nampiana.

Rahalahy Han Chan-hee

Nohazavain’ny Rahalahy Han Chan-hee, anisan’ny KVRV tany Korea Atsimo, hoe inona ny fepetra noraisina mba hiarovana ny rahalahy sy anabavy. Hoy izy: “Tsy maintsy nojerenay ny mari-panan’ny tsirairay isan’andro, ary nohajainay tsara foana ny elanelana. Noferanay koa ny isan’ny mpiasa an-tsitrapo tonga, sady tsy nitangorongorona be izahay rehefa nisakafo sy niala sasatra kely. Ankoatra izay, dia tsy maintsy nodiovin’ireo mpiasa an-tsitrapo tamin’ny ranoka famonoana mikraoba ny fitaovany, aloha sy aorian’ny ampiasany azy.”

Rahalahy Chris Shirah

Nandritra an’ireny loza ireny, dia nisy mpiara-manompo sasany tsy maintsy niala tao amin’ny tranony na namoy ny tranony mihitsy. Hoy ny Rahalahy Chris Shirah, anisan’ny KVRV tany amin’ny morontsiraka andrefan’i Etazonia, rehefa nisy afo tany: “Noferanay ny isan’ny olona nafindranay tany amin’ny trano tsirairay mba hanarahana tsara ny toromarika momba ny fiarovana amin’ny COVID-19.”

Rahalahy Philips Akinduro

Voafetra ny isan’ny mpiasa an-tsitrapo afaka nandray anjara tamin’ny fanampiana tra-boina, tany aminy faritra maro, satria tsy maintsy nanaraka ny toromarika momba ny fiarovana amin’ny COVID-19 sy ny fepetra ara-pahasalamana mifandray amin’ny fivezivezena sy ny fanaovana dia lavitra isika. Hoy ny Rahalahy Philips Akinduro, anisan’ny KVRV tany Nizeria: “Noferan’ny [fanjakana] ny toerana azon’ny olona naleha sy nivezivezena, dia nanahirana ny nahita mpiasa an-tsitrapo azo nampiasaina tamin’ilay fanampiana tra-boina. Izany no olana ngezabe natrehinay.”

Rahalahy Kim Joon-hyeong

Anisan’ny KVRV tany Korea Atsimo koa ny Rahalahy Kim Joon-hyeong. Nilaza izy hoe hoatr’izao ny toe-tsain’ireo mpiasa an-tsitrapo nandray anjara tamin’ilay fanampiana tra-boina: “Nanampy tra-boina izahay satria tianay i Jehovah sy ny mpiara-manompo. Niezaka niaro tena tsara izahay, amin’izay mba ho voaro tsara daholo ny ain’ny olona rehetra manodidina anay. Faly foana izahay teo am-panaovana an’ilay asa, na dia tsy maintsy nitandrina kokoa aza.”

Nampahery ny nanampy an’ireo tra-boina

Afaka nandray anjara tamin’ilay fanampiana tra-boina foana ireo mpiasa an-tsitrapo na dia teo aza ny olana fanampiny. Tena nanampy azy ireo hino sy hatoky kokoa an’i Jehovah izany.

Nanahy, ohatra, ny Rahalahy Han hoe ho ampy ve ny mpiasa an-tsitrapo ho hitan’izy ireo, raha hatomboka haingana ilay fanampiana. Hoy izy: “Tao anatin’ny ora vitsivitsy fotsiny dia tsapako hoe nanahy tsy amin’antony aho. Rahalahy sy anabavy an-jatony no nanolo-tena handray anjara tamin’ilay fanampiana tra-boina. Najanona fotsiny aza ny sasany satria lasa be loatra indray. Hitako hoe tena nanampy anay sy nampahery anay i Jehovah.”

Rahalahy Brad Benner

Hoatr’izany koa no tsapan’ny Rahalahy Brad Benner any Honduras. Izao no noteneniny rehefa avy nanampy tra-boina taorian’ny rivo-doza izy: “Na dia niady saina be aza izahay, dia nahazo sakafo sy toerana ipetrahana ary fampaherezana daholo ny mpiara-manompo rehetra tsy maintsy niala tany amin’ny tranony. Tsapako hoe tsy nahasakana ny mpiara-manompo tsy hifankatia mihitsy ilay rivo-doza roa sy ilay valanaretina.”

Rahalahy Alquin Dayag

Hoy koa ny Rahalahy Alquin Dayag, anisan’ny KVRV tany Philippines: “Vao mainka aho resy lahatra, nandritra an’ilay fanampiana tra-boina, hoe tena manome hery fanampiny sy fahendrena i Jehovah mba hamitana an’ilay asa.”—2 Korintianina 4:7.

Tena ankasitrahanay ny asa mafy nataon’ny rahalahy tao amin’ny biraon’ny sampana sy ny KVRV ary ny mpiara-manompo rehetra nandray anjara tamin’ny fanampiana tra-boina. Noho ny fitiavana sy ny asa mafy nataon’ireny mpiasa an-tsitrapo ireny ary ny fanomezana nataonareo, dia afaka nanampy ny tra-boina isika nandritra ny fotoana nisian’ny loza araka ny natiora betsaka indrindra hatramin’izay.—1 Tesalonianina 1:3.