Hijery ny anatiny

4 JONA 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Melohin’ny Fitsarana Tampony any Crimée Higadra Enin-taona ny Rahalahy Artem Gerasimov

Melohin’ny Fitsarana Tampony any Crimée Higadra Enin-taona ny Rahalahy Artem Gerasimov

Melohin’ny Fitsarana Tampony any Crimée higadra enin-taona ny Rahalahy Artem Gerasimov, tamin’ny 4 Jona 2020, satria nanaraka ny fivavahany milamina tsara. Efa nanameloka azy ny Fitsaran’i Yalta, izay nampandoa azy sazy 400 000 roubles (6 000 dolara amerikanina eo ho eo), ary nangataka ny hafahana madiodio izy. Nihatra avy hatrany ilay didy ka nentina tany am-ponja ny Rahalahy Gerasimov. Mbola hampakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana ambony kokoa izy.