Hijery ny anatiny

5 MARTSA 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Melohin’ny Fitsarana any Crimée Higadra Enin-taona ny Rahalahy Sergey Filatov

Melohin’ny Fitsarana any Crimée Higadra Enin-taona ny Rahalahy Sergey Filatov

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Dzhankoysky, any amin’ny Repoblikan’i Crimée, higadra enin-taona ny Rahalahy Filatov, tamin’ny 5 Martsa 2020. Ny Rahalahy Filatov no Vavolombelon’i Jehovah nampangaina voalohany any Crimée hoe nandika ny Lalàna Momba ny Heloka Bevava any Rosia. Hampakariny any amin’ny fitsarana ambony kokoa ny raharaha.