Hijery ny anatiny

5 MARTSA 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Melohin’ny Fitsarana any Crimée ny Rahalahy Artem Gerasimov ary Ampandoavina Sazy

Melohin’ny Fitsarana any Crimée ny Rahalahy Artem Gerasimov ary Ampandoavina Sazy

Nomelohin’ny Fitsarana any Yalta, any amin’ny Repoblikan’i Crimée, ny Rahalahy Artem Gerasimov, tamin’ny 3 Martsa 2020. Marina fa tsy migadra izy nefa nampandoavin’ny fitsarana 400 000 roubles (6 000 dolara amerikanina eo ho eo). Hampakariny fitsarana ambony kokoa ilay raharaha.