Hijery ny anatiny

Rahalahy Sergey Filatov

2 MARTSA 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Miandry Didim-pitsarana ny Vavolombelon’i Jehovah Voampanga Voalohany any Crimée

Miandry Didim-pitsarana ny Vavolombelon’i Jehovah Voampanga Voalohany any Crimée

Amin’ny 5 Martsa 2020 ny Fitsaram-paritr’i Dzhankoysky any Crimée no hamoaka ny didim-pitsarana momba ny Rahalahy Sergey Filatov. Nangataka ilay mpampanoa lalàna mba hogadraina fito taona any amin’ny fonja faran’izay tsara ambina izy. Ny Rahalahy Filatov no Vavolombelon’i Jehovah voalohany any Crimée, ampangaina ho nandika ny Lalàna Momba ny Heloka Bevava any Rosia.

Nolazaina tamin’ny vaovao teo aloha hoe nosamborina ny Rahalahy Filatov, tamin’ny ezaka manokana iray anisan’ny lehibe indrindra nanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah tato anatin’ny taona vitsivitsy. Nisy olona vitsivitsy nivory tao an-tranon’ny Rahalahy Filatov, tamin’ny 10 Oktobra 2017, mba hidinidinika momba ny Baiboly sy hanao hira fiderana an’Andriamanitra. Naka feo an-tsokosoko an’ilay fivoriana anefa ny mpiasan’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB). Polisy 200 teo ho eo no nanao bemidina tany amin’ny trano valo an’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny alin’ny 16 Novambra 2018, izany hoe herintaona mahery kely taorian’izay. Mpitandro filaminana 35 mahery no nanao savahao ny tranon’ny Rahalahy Filatov ka ny antsasany eo ho eo amin’izy ireo no miaramila manokana mitam-piadiana. Nanaovana famotorana ny Rahalahy Filatov, ary nafahana avy eo.

Efatra ny zanaky ny Rahalahy Filatov sy Natalya vadiny, ary mbola tsy ampy taona ny roa amin’izy ireo. Mandra-piandrin’ny Rahalahy Filatov ny didim-pitsarana momba azy, dia mivavaka isika mba hataon’izy mianakavy fialofana foana i Jehovah. Matoky isika hoe hanampy azy ireo i Jehovah amin’izao fotoam-pahoriana izao.—Salamo 46:1.