Hijery ny anatiny

Rahalahy iray maka video misy ny fivorian’ny fiangonana, eo ambony lakana, eo amin’ny Farihin’i Malawi

29 DESAMBRA 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Miezaka Be sy Mitady Hevitra ny Rahalahintsika any Amin’ny Toerana Mitokana vao Afaka Mivory

Miezaka Be sy Mitady Hevitra ny Rahalahintsika any Amin’ny Toerana Mitokana vao Afaka Mivory

Mitady fomba isan-karazany hampiasana ny ordinatera sy ny Internet ny fiangonana eran-tany mba hanaovana fivoriana amin’izao fotoana misy valanaretina izao. Hafa mihitsy anefa ny zavatra iainan’ireo rahalahintsika sasany any amin’ny faritra mitokana, satria tsy misy Internet any amin’izy ireo. Tsy maintsy manao ezaka be izy ireo mba hahafahany mahazo fandaharana ara-panahy foana, nefa koa tsy maintsy manaraka tsara ny fepetra ara-pahasalamana mifandray amin’ny COVID-19. Andao isika hijery ohatra vitsivitsy avy atsy Afrika.

Malawi

Be dia be ny rahalahy sy anabavy tsy afaka manao Zoom, satria tsy misy Internet any aminy. Mandefa video misy ny fivoriana any amin’ny anti-panahy, any amin’ny fiangonana tsirairay, àry ny biraon’ny sampan’i Malawi, isan-kerinandro. Alefan’izy ireo amin’ny alalan’ny tambazotran’ny telefaonina ilay izy. Mizara an’ilay video amin’ny mpitory eo anivon’ny fiangonana avy eo ny anti-panahy.

Sarotra amin’ireo mpitory 28 ao amin’ny Fiangonana Tcharo anefa no maka an’ilay video. Any amin’ny faritra be tendrombohitra any amin’ny faritra avaratr’i Malawi, any akaikin’ny Farihin’i Malawi, mantsy izy ireo no mipetraka. Sakanan’ny tendrombohitra ny réseau any amin’ilay toerana, dia misy anti-panahy anankiray tsy maintsy mandeha an-tongotra kilaometatra maromaro mba hitady réseau. Tsy maintsy mamakivaky tendrombohitra indray izy rehefa miverina mba hizara an’ilay video. Ataony izay hahatongavana any akaikin’ny tranon’ny mpiara-manompo tsirairay, dia afindrany amin’ny alalan’ny Bluetooth ilay video avy eo.

Vao haingana izay, dia faly be ny anti-panahy any, satria fantatr’izy ireo hoe misy toerana mahazo réseau tsara any akaikin’ny tanànany, izany hoe eo amin’ny Farihin’i Malawi. Mitaingina lakana eny amin’ilay farihy izy ireo ary tsy takon’ny tendrombohitra, rehefa maka an’ireo video. Tsy voatery mandany fotoana sy mandeha lavitra be intsony izao ireo anti-panahy ireo.

Mozambika

Rehefa “mitsidika” fiangonana any amin’ny toerana mitokana, any amin’ny faritra avaratrandrefan’i Mozambika, ny mpiandraikitra ny faritra, dia ataon’izy ireo amin’ny telefaonina ny lahateniny. Tsy mandeha any indraindray ilay hoe afaka miantso olona maromaro indray miaraka amin’ny telefaonina iray. Efa lasa mahazatra ny mpiandraikitra ny faritra any àry ny hoe rehefa manao lahateny, dia misy telefaonina maromaro eo anoloany, mba hiantsoany ny fianakaviana tsirairay ao amin’ilay fiangonana tsidihiny.

Rahalahy Alique Cazawe, mpiandraikitra ny faritra, manao lahateny. Mampiasa telefaonina maromaro izy mba hiantsoana ny fianakaviana tsirairay ao amin’ilay fiangonana tsidihiny

Mipetraka any amin’ny toerana tena mitokana be tsy misy réseau ny mpitory sasany. Isaky ny hivory àry ny rahalahy sy anabavy any, dia tsy maintsy mandeha any anaty alaala, any amin’izay toerana ahitana réseau. Rehefa mahita réseau izy ireo dia mipetraka eo mihaino an’ilay fandaharana.

Nanazava ny Rahalahy Yohane Vinho, anisan’ny mpiandraikitra ny faritra any amin’ilay toerana, hoe “be dia be ny rahalahy sy anabavy manao ezaka be satria te handray soa amin’ilay fandaharana”, ary manampy azy ireo hifandray akaiky amin’i Jehovah foana izany, na dia mipetraka any amin’ny toerana mitokana aza izy ireo. Hoy koa ny Rahalahy Carlos Cortazão, mpiandraikitra ny faritra hafa: “Hoatran’ny hoe miaraka amin’ireo rahalahy sy anabavy any amin’ny Efitrano Fanjakana ihany izahay, rehefa miara-mihira amin-dry zareo ary manome valin-teny sy maheno ny valin-tenin-dry zareo. Tena hitanay mihitsy hoe manampy ny vahoakany mba hahazo izay ilainy amin’ny sakafo ara-panahy i Jehovah, mandritra an’ity valanaretina ity.”—Jaona 21:17.