Hijery ny anatiny

Fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana, tamin’ny mbola tsy nisy COVID-19

15 OKTOBRA 2021
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Milaza ny Filan-kevi-pitantanana hoe Hiverina ny Fivoriana any Amin’ny Toerana Sasany

Milaza ny Filan-kevi-pitantanana hoe Hiverina ny Fivoriana any Amin’ny Toerana Sasany

Nilaza ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe misy sampana vitsivitsy nangatahiny mba hamerina ny fivoriana, any amin’ny toerana sasany. Hojeren’ireny sampana ireny hoe aiza ho aiza ao amin’ny faritra iandraiketany no be olona vita vaksiny sady vitsy olona tratran’ilay valanaretina, ka any amin’ny Efitrano Fanjakana any amin’ireny toerana ireny no hasiana ny fivoriana. Mazava ho azy fa tsy maintsy arahina foana ny toromarika rehetra omen’ny manam-pahefana mahakasika ny fivorivoriana. Tamin’ny zoma 15 Oktobra 2021 no novakina tamin’ny fianakavian’ny Betela maneran-tany izany fampandrenesana izany.

Arakaraka ny vokatra azo avy amin’ireny andrana ireny no hahitana raha misy fiangonana hafa mety ho afaka hiverina hivory. Voalaza tamin’ilay fampandrenesana koa hoe mbola mitohy, amin’ny ankapobeny, ny fameperana momba ny asantsika izay ihaonana mivantana amin’ny olon-kafa, hatramin’ny 1 Janoary 2022, raha aloha indrindra.

Misaotra betsaka ny Filan-kevi-pitantanana isika satria jereny tsara izay hahasoa ny rahalahy sy anabavy maneran-tany, sady mandinika tsara izy ireo rehefa mamerina tsikelikely ny asa fanaon’ny fandaminana. Ampirisihina isika hivavaka mba hotarihin’i Jehovah sy hotahiny foana izao fandaharana izao.​—Ohabolana 14:16.