Hijery ny anatiny

Rahalahy Aleksandr Ursu

4 DESAMBRA 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Mitantara ny Zavatra Mafy Efa Niainany ny Rahalahy Iray 80 Taona Atao hoe Aleksandr Ursu

Mitantara ny Zavatra Mafy Efa Niainany ny Rahalahy Iray 80 Taona Atao hoe Aleksandr Ursu

“Nikarakara anay i Jehovah tamin’ireny fotoana ireny, dia matoky aho fa mbola hanao an’izany foana izy.”

Mipetraka any Djankoy, any Crimée, ny Rahalahy Aleksandr Ursu. Nandeha nivoaka ny tranony izy, tamin’ny 15 Novambra 2018, mba hiarahaba an’i Viktor zanany lahy. Efa maizimaizina ny andro tamin’izay, ary 78 izy tamin’izany. Taitra be izy rehefa nahita jiro nitaratra be teo anoloan’ny vavahadiny. Lasa izy nanatona moramora teny amin’ilay jiro. Tonga anefa izy dia naheno olona niteny mafy be hoe: “Polisy fa aza mihetsika!”

Noheverin’i Aleksandr fa rahalahy nivazivazy fotsiny ilay izy. Gaga anefa izy fa hay tsy vazivazy ilay izy fa tena izy. Nisy lehilahy iray nanao saron-tava tonga dia nisintona ny tanany roa, sady nangeja an’ilay izy tao an-damosiny. Ny lehilahy nisaron-tava iray hafa indray tonga dia nanisy totohondry ny valanoranony. Nisy polisy enin-dahy nitam-basy, avy amin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB), niara-nisava azy sy Viktor. Tonga dia niditra an-keriny tao an-tranony ireo polisy ireo avy eo.

Tao an-dakozia i Nina, vadin’i Aleksandr, tamin’ireo polisy ireo niditra an-keriny. Nisy polisy anankiray nisintona ny telefaoniny sady nanontany hoe inona no nojereny tao. Nataon’izy ireo savahao nandritra ny ora maromaro ny tranon-dry Aleksandr. Nokarohin’izy ireo sao dia nisy tamin’ireo boky lazain’ny manam-pahefana any Rosia fa mampidi-doza tao. Tsy nahita na inona na inona anefa izy ireo.

Rahalahy Aleksandr Ursu sy Nina vadiny, tamin’ny 2020

Mba tsy nosamborin’izy ireo aloha ilay rahalahintsika efa be taona. Na izany aza anefa, dia mitaintaina isan’andro i Aleksandr sy ny mpiara-manompo hafa any Rosia sy Crimée satria afaka manao bemidina any an-tranony sy misambotra azy ireo ny polisy na rahoviana na rahoviana. Inona anefa no nanampy an’i Aleksandr hahavita hiaritra an’izany fanenjehana izany? Misaintsaina ny modely tsara nomen’ny olona sasany tao amin’ny fianakaviany sy ny zavatra niainany nandritra ny fanenjehana nataon’ny fitondrana sovietika izy.

Niditra an-keriny tao an-tranon-dry Aleksandr ny miaramila sovietika, tamin’ny 6 Jolay 1949. Alina be tamin’izay, ary sivy taona izy tamin’izany. Natao savahao ilay trano. Natsipitsipin’ireo miaramila ireo teny afovoan-trano ny fananan’izy ireo sady nasainy nangorona entana izy mianakavy. Hoy i Aleksandr: “Vao hitan’i Neny hoe tsy nitodika tany aminy ny miaramila, dia nasiany boky sy gazety haingana tao amin’ilay entanay, anisan’izany ilay boky hoe Ny Harpan’Andriamanitra.” Nentin’izy ireo tany amin’ny gara izahay mianakavy avy eo.

Be herim-po ry Aleksandr mianakavy satria nihira ny hiran’ilay Fanjakana izy ireo sy ny Vavolombelona hafa rehefa tao anaty lamasinina ho any Siberia. Tany indray mantsy izy ireo no nasaina hipetraka. Anisan’ireo rahalahy sy anabavy natao sesitany tany Siberia teo anelanelan’ny 1949 sy 1951 izy ireo.

Nanao fivoriana tany amin’ny toeram-pambolena foana ny rahalahy tany, taorian’ny 1950, saingy niafina. Nisy fianakaviana sasany aza tsy maintsy nandeha an-tongotra 20 kilaometatra rehefa hamonjy fivoriana.

Tena nahasoa an’i Aleksandr ny modely tsara nomen’ny olona sasany tao amin’ny fianakavian’ny dadany. Anisan’izany i Makar dadan’ny dadabeny, Maksim dadabeny, Vladimir rahalahin’ny dadabeny, ary Pyotr dadany. Tena niavaka izy ireo satria nahavita niaritra sady tsy nivadika.

Sary eo ankavia, manaraka ny fihodinan’ny famantaranandro: Rahalahy Aleksandr Ursu miampofo an’i Viktor zanany lahy, Nina vadiny, Nadezhda reniny, Pyotr dadany, miampofo an’i Dina (zanakavavin’i Aleksandr). Sary eo ankavanana: Rahalahy Vladimir Ursu , rahalahin’i Maksim dadaben’i Aleksandr. Maty tany am-ponja i Vladimir sy Maksim, ary samy tsy nivadika mandra-pahafatiny.

Voaheloka higadra folo taona ny dadan’i Aleksandr, tamin’ny 1944, satria tsy nety nanao miaramila. Nalefa nody anefa izy rehefa tapitra ny telo taona satria tapaka ny hazondamosiny, dia lasa nalemy izy. Tadidin’i Aleksandr hoe nisy fotoana ny dadany niresaka tantaran’olona avy ao amin’ny Baiboly tamin’izy ireo, ohatra hoe ny tantaran’i Davida, Goliata, na i Davida sy Jonatana ilay lasa mpinamana be.

Hoy i Aleksandr: “Nihaino radio WBBR foana i Vladimir dadatoanay sady nahazo boky sy gazety ara-baiboly. Voarara tamin’izany ny nanana radio, dia nanamboatra efitra kely tany ambanin’ny tany dadatoanay, dia tany izy sy ny olona liana no nihaino ny fandaharana nalefan’ny WBBR.”

Natoron’ny “olona liana” anankiray tamin’ny manam-pahefana ilay efitra kely tany ambanin’ny tany, tamin’ny 1940 tany ho any. Nosamborina àry ny dadatoan’i Aleksandr sy ny dadabeny, ka nalefa higadra tany Khotine, any amin’ny faritra andrefan’i Ukraine, izany hoe 80 kilaometatra eo ho eo miala ny tanàna nisy azy ireo.

“Nandeha an-tongotra i Bebe rehefa nitsidika azy ireo tany am-ponja. Notantarain’i Bebe hoe falifaly foana izy ireo satria tena nanam-pinoana. Fa nilaza koa izy hoe hitany fa novonovonoina izy ireo.” Nampalahelo fa maty tany am-ponja ny dadatoan’i Aleksandr sy ny dadabeny.

Hoy i Aleksandr: “Tsy fantatra mihitsy hatramin’izao izay tena nahazo an-dry zareo. Tsy fantatray hoe natao ahoana ry zareo, ahoana no nahafatesany ary taiza ry zareo no nalevina. Fa ny tena mampahery anay fotsiny dia hoe tsy nivadika tamin’i Jehovah mandra-pahafatiny ry zareo.”

Manampy an’i Aleksandr ho vonona hiatrika ny fanenjehana mahazo azy amin’izao ny zavatra niainany tany Siberia sy ny modely tsara nomen’ny fianakaviany. Hoy izy: “Efa zatra aho rehefa misy polisy tonga misava ny tranonay, satria efa niainako hatramin’ny mbola kely izany. Tena nikarakara anay i Jehovah tamin’ireny fotoana ireny, dia matoky fa mbola hanao an’izany foana izy.”

Hoy i Aleksandr: “Anisan’ny tena manampy ahy koa ny mianatra Baiboly isan’andro sy misaintsaina, manatrika fivoriana tsy tapaka, ary mifanerasera amin’ny rahalahy sy anabavy.”

Mamaky matetika ny tantaran’ireny mpiara-manompo hafa enjehina hoatr’azy ireny koa izy, ary mampahery azy hoe tena be herim-po izy ireny. Hoy koa izy: “Novakiko izay zavatra notenenin’ny rahalahy sasany, rehefa nasaina niteny farany izy ireo, tany amin’ny fitsarana. Be herim-po ry zareo sady nahavita nanazava tsara ny zavatra inoany, dia manatanteraka an’ilay faminanian’i Jesosy hoe: ‘Hotaritarihina hankeo anatrehan’ny governora sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ka izany dia ho vavolombelona aminy sy amin’ireo firenena.’ ”—Matio 10:18.

Tena miaritra ny mafy ireny rahalahy sy anabavintsika enjehina ireny, nefa lasa manana finoana matanjaka, satria tia sy manampy azy ireo i Jehovah Andriamanitsika. Hita amin’ny zavatra iainan’izy ireo hoe marina mihitsy ilay tenin’i Davida, hoe: “Hiravoravo ... izay rehetra mialoka aminao [Jehovah], ka hihoby mandritra ny fotoana tsy voafetra.”—Salamo 5:11.