Hijery ny anatiny

Hoatran’io ilay toerana hanaovana fanorenana any Ramapo rehefa jerena avy eny ambony. Ireo hazo tapaka no mamaritra ny haben’ilay toerana. Sary kely anatiny: Olona manapaka hazo amin’ny tsofa elektrika

6 JONA 2023
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Tetikasan’ny Foibe: Ramapo

Mitohy ny Fanomanana An’ilay Toerana Hanaovana Fanorenana any Ramapo

Mitohy ny Fanomanana An’ilay Toerana Hanaovana Fanorenana any Ramapo

Nanome fahazoan-dalana mba hanesorana ny hazo nokapaina eo amin’ilay toerana hanaovana ny fanorenana any Ramapo ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana any New York, tamin’ny 1 Jona 2023. Tamin’ny 18 Martsa no vita ny fanapahana an’ireo hazo, izany hoe tapa-bolana teo ho eo talohan’ny fifaran’ny vanim-potoana fanapahana hazo.

Izao no nolazain’ny Rahalahy Robert McRedmond, izay mpandrindra ny Komitin’ny Tetikasa Fanorenana (CPC) miandraikitra an’ilay tetikasa any Ramapo: “Isaky ny manao tetikasa ngezabe hoatr’izao izahay ka mahazo fahazoan-dalana anankiray, dia vao mainka izahay mahatsapa hoe kely sisa dia hanomboka ny fanorenana. Hitanay hoe betsaka ny olana novahan’i Jehovah, dia efa tsy andrinay ny hahita hoe ahoana indray izao no hataony mba hanampiana anay amin’izay olana hafa mbola hitranga.”​—Isaia 57:14.

Mbola miara-miasa amin’ny manam-pahefana eo an-toerana foana ny CPC hatramin’izao, mba ho azo daholo ny fahazoan-dalana rehetra.