Hijery ny anatiny

19 AOGOSITRA 2024
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Nahatonga Tondra-drano Be Tany Amin’ny Morontsiraka Atsinanan’i Amerika Avaratra Ilay Rivo-doza Debby

Nahatonga Tondra-drano Be Tany Amin’ny Morontsiraka Atsinanan’i Amerika Avaratra Ilay Rivo-doza Debby

Nisy tafio-drivotra mahery niforona tany amin’ny Oseana Atlantika, tamin’ny voalohandohan’ny volana Aogositra 2024. Vetivety ilay izy dia nihanahery ka lasa rivo-doza, ary nantsoina hoe Rivo-doza Debby. Teny akaikin’i Steinhatchee, any Floride (Etazonia), ilay izy no niditra an-tanety tamin’ny 5 Aogositra 2024, ary nitondra rivo-mahery nahatratra 130 kilaometatra isan’ora. Nisy rambondanitra 12 koa, fara fahakeliny, niforona vokatry’ilay rivo-doza. Olona ana hetsiny no lasa tsy nanana jiro noho ny rivotra sy ny oram-be nentin’ilay izy. Olona valo, fara fahakeliny, no matin’ilay izy tany Etazonia.

Nihena ny herin’ilay Rivo-doza Debby rehefa avy namely an’i Floride, ary avy eo ilay izy nianavaratra nankany Kanada. Nahatratra 22 santimetatra ny rotsakorana tany amin’ny faritanin’i Québec, any Kanada, ny zoma 9 Aogositra 2024, tao anatin’ny 24 ora latsaka. Maro àry ny trano difotry ny rano, ary nisy foto-drafitrasa simba tany amin’ny faritra sasany tany amin’ilay faritany. Olona an-jatony koa no voatery nifindra tany amin’ny toerana azo antoka kokoa. Nisy olona iray maty tany Kanada, araka ny tatitra voaray.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

Etazonia

  • Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty na naratra

  • Mpitory 1 no niditra hopitaly

  • Mpitory 23 no nafindra toerana

  • Trano 7 no simba be

  • Trano 60 no nisy simba kely

  • Efitrano Fanjakana 1 no nisy simba kely

Kanada

  • Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty na naratra. Mampalahelo anefa fa nisy mpianatra Baiboly iray maty nihotsahan’ny tany

  • Mpitory 1 no naratra

  • Mpitory 23 no nafindra toerana, fa maro amin-dry zareo no efa nody

  •   Trano 2 no simba be

  • Trano 165 no nisy simba kely

  • Tsy nisy Efitrano Fanjakana simba

Fanampiana tra-boina

  • Manampy sy manome fampaherezana ara-baiboly ho an’izay tany amin’ny toerana nandalovan’ilay loza ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy any Etazonia sy Kanada

  • Misy Komitin’ny Vonjy Rano Vaky natsangana any Kanada mba hiandraikitra ny fanampiana

Mivavaka foana ho an’ireo izay tratran’iny rivo-doza mahery iny isika, sady matoky hoe tsy maintsy ‘hamonjy antsika amin’ny fotoam-pahoriana’ i Jehovah.​—Isaia 33:2.