26 SEPTAMBRA 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
Namely An’i Karaiba ny Rivo-doza Fiona
Nandalovan’ny Rivo-doza Fiona i Porto Rico sy ireo nosy manodidina azy, tamin’ny 18 Septambra 2022. Nahatratra 160 kilaometatra isan’ora ny rivotra nentiny ary nahatratra 75 santimetatra ny rotsakorana. Be dia be ny lalana sy tetezana simba. Tapaka koa ny herinaratra, ka olona an’arivony no tsy nisy jiro. Sarotsarotra ny famatsiana sakafo sy rano ary fanafody an’ireo tra-boina, noho ny fahasimban’ny lalana.
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Porto Rico, Saint-Christophe sy Niévès, Nosy Turks sy Caïques
Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty
Mpitory 4 no naratra kely
Mpitory 75 no tsy maintsy nafindra toerana
Trano 140 no nisy simba kely
Trano 18 no simba be
Trano 1 no rava
Repoblika Dominikanina
Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty
Mpitory 58 no tsy maintsy nafindra toerana
Trano 57 no nisy simba kely
Trano 26 no simba be
Trano 2 no rava
Efitrano Fanjakana 2 no nisy simba kely
Efitrano Fanjakana 2 no simba be
Goadelopy sy Martinika
Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty
Mpitory 16 no tsy maintsy nafindra toerana
Trano 43 no nisy simba kely
Trano 2 no simba be
Efitrano Fanjakana 13 no nisy simba kely
Fanampiana tra-boina
Mitsidika an’ireo fianakaviana tra-boina ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy eo an-toerana, ary mampahery azy ireo sy manome an’izay fanampiana ilainy
Efa misy fandaharana atao mba hanampiana ny fianakaviana tra-boina, ohatra hoe hanomezana sakafo sy rano ary fanafody azy ireo, sy hanamboarana ny tranony
Manaraka tsara ny toromarika momba ny fiarovana amin’ny COVID-19 ireo mikarakara fanampiana
Matoky isika fa hampahery an’ireo rahalahy sy anabavintsika tratran’iny rivo-doza iny ny porofom-pitiavana be asehontsika amin’izy ireo.—Asan’ny Apostoly 11:29.