Hijery ny anatiny

Fandravana nentin’ny Rivo-doza Idai any akaikin’i Beira, any Mozambika

27 MARTSA 2019
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Namely ny Faritra Atsimoatsinanan’i Afrika ny Rivo-doza Idai

Namely ny Faritra Atsimoatsinanan’i Afrika ny Rivo-doza Idai

Niditra tany Mozambika ny Rivo-doza Idai ny alakamisy 14 Martsa 2019 ary nanohy nandravarava an’i Malawi sy Zimbabwe. Anisan’ny rivo-doza nahery vaika indrindra tatỳ amin’ny Ila Bolantany Atsimo izy io. Nanimba trano sy lalana ilay rivo-doza ka olona 2600000 mahery no tra-boina. Efa maherin’ny 200 izao ny olona fantatra fa maty. Mampalahelo fa anisan’ireo namoy ny ainy ny anabavy roa sy ny ankizy mpitory tsy vita batisa roa tany Mozambika. Rahalahy 14 taona no maty tany Zimbabwe, rehefa nentin’ny riakam-potaka ny tranony.

Efitrano Fanjakana simba be any Inhamízua, any Mozambika

Nanao tatitra ny sampan’i Mozambika hoe be dia be ny tranon’ny mpiara-manompo sy Efitrano Fanjakana simba na rava tanteraka. Nilaza ny sampan’i Zimbabwe hoe trano 15 an’ny mpiara-manompo sy Efitrano Fanjakana 2 no simba. Ny sampan’i Malawi kosa nanao tatitra hoe 764 ny tranon’ny mpiara-manompo rava tanteraka, ary 201 no simba. Efitrano Fanjakana roa koa no simba. Komitin’ny Vonjy Rano Vaky enina no natsangana mba handamina ny fandaharam-panampiana, ka ny roa any Mozambika ary ny efatra any Malawi.

Hazo sisa no manohana ny tafo eo amin’ny trano roa an’ireo rahalahy any Malawi rehefa nianjera ny rindrina.

Miara-ory amin’ireo rahalahy sy anabavintsika mijaly vokatr’iny loza iny isika. Mivavaka isika mba hitoky amin’i Jehovah foana izy ireo satria izy no afaka manome fiadanan-tsaina ho azy ireo.—Romanina 15:13.