28 MARTSA 2023
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
Nandravarava Tany Afrika Atsinanana ny Sikilaonina Freddy
Vao haingana no namely an’i Afrika Atsinanana ny Sikilaonina Freddy. Io no anisan’ny sikilaonina naharitra indrindra nisy hatramin’izay. Nanomboka tamin’ny voalohandohan’ny Febroary 2023 izy io, ary be dia be ny faritra tratrany. Namely an’i Madagasikara ilay sikilaonina tamin’ny 21 Febroary 2023. Namakivaky ny Lakandranon’i Mozambika ilay izy, andro maromaro tatỳ aoriana, dia namely an’i Mozambika sy Malawi. Nihanahery ilay rivo-doza ary niverina namely an’i Mozambika, tamin’ny 11 Martsa 2023. Be dia be ny faritra tratran’ilay izy tany Madagasikara sy Malawi ary Mozambika. Nanimba trano be dia be ny rivo-mahery sy ny oram-be nentin’ilay izy sady niteraka tondra-drano. Olona 500 mahery àry no maty, ary maromaro amin’izy ireo no mpiara-manompo. An’arivony koa ny olona nafindra toerana.
Ireto ny tatitra azo tamin’ny 27 Martsa 2023. Tatitra avy amin’ny rahalahy any an-toerana izy ireo. Mety ho efa niova anefa ireo isa ireo amin’izao, satria mbola miezaka mamantatra ny voka-dratsin’ilay izy any amin’ireo toerana sarotra aleha ny rahalahintsika.
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Madagasikara
Mpitory 256 no nafindra toerana niaraka tamin’ny fianakaviany
Trano 8 no rava
Trano 29 no simba
Efitrano Fanjakana 3 no simba
Malawi
Nampalahelo fa mpitory 8 no maty, ary 6 no mbola tsy hita
Mpitory 3 no naratra
Mpitory 4 300, fara fahakeliny, no nafindra toerana niaraka tamin’ny fianakaviany
Trano 821 no rava
Trano 174 no simba
Efitrano Fanjakana 20 no simba
Mozambika
Nampalahelo fa mpitory 1 no maty, ary 1 no mbola tsy hita
Mpitory 880 no nafindra toerana niaraka tamin’ny fianakaviany
Trano 248 no rava
Trano 185 no simba
Efitrano Fanjakana 7 no simba
Fanampiana tra-boina
Mbola tsy mety handehanana ny faritra maro voakasika tamin’ilay izy
Manome toerana hipetrahana, sakafo, rano, ary zavatra hafa ilain’ireo tra-boina ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky
Nisy toerana filasiana namboarina tany amin’ny faritr’i Gaza, any Mozambika, mba hipetrahan’ny mpitory 167 sy ny fianakavian’izy ireo. Nilasy tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray mantsy izy ireo teo aloha. Nisy an-jatony hafa koa napetraka tany amin’ny Efitrano Fanjakana sy tany amin’ny tranon’olona nanerana an’ilay faritra
Trano 16, fara fahakeliny, no efa namboarina
Mitsidika an’ireo tra-boina ny Komitin’ny Sampana sy ny mpiandraikitra ny faritra ary ny anti-panahy eo an-toerana mba hahafantarana ny zavatra ilain’izy ireo. Mampahery an’ireo tra-boina koa izy ireo
Na dia eo aza ireo zava-tsarotra ireo, dia mbola manatrika fivoriana any amin’ny toerana azo ivoriana ihany ireo mpiara-manompo tra-boina sady mifampahery. Matoky isika fa hanome azy ireo “hery mihoatra noho ny an’ny olombelona” i Jehovah mba hanampiana azy ireo hiaritra.—2 Korintianina 4:7.