Hijery ny anatiny

Tondra-drano any Goatemalà (ankavia) sy Costa Rica (ankavanana)

20 NOVAMBRA 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Nandravarava Tany Amerika Afovoany, Nosy Caïmans, Bahamas, Jamaika, Meksika, ary Etazonia ny Rivo-doza Eta

Nandravarava Tany Amerika Afovoany, Nosy Caïmans, Bahamas, Jamaika, Meksika, ary Etazonia ny Rivo-doza Eta

Toerana

Amerika Afovoany, Bahamas, Nosy Caïmans Lehibe, Jamaika, Meksika, ary ny faritra atsimoatsinanan’i Etazonia

Zava-nitranga

  • Tafiditra an-tanety tao Puerto Cabezas, any Nikaragoà, ny Rivo-doza maherivaika Eta, tamin’ny 3 Novambra 2020. Nikisaka nankany amin’ny faritra hafa any Amerika Afovoany izy io avy eo, sady nandravarava be mihitsy

  • Nampalahelo fa lasan’ny rano ny ankizilahikely iray sivy taona, ary maty. Zafikelin’ny mpivady iray Vavolombelon’i Jehovah any Tabasco, any Meksika, izy io

  • Efa nihena ny herin’ny Rivo-doza Eta tamin’izy nandalo tany amin’ny Nosy Caïmans Lehibe, Bahamas, ary Jamaika. Nankany amin’ny Hoalan’i Meksika ilay izy avy eo, ary niditra tany Etazonia

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Costa Rica

    • Mpitory 108 no tsy maintsy niala tamin’ny tranony

    • Mpitory 7 no namoy ny fananany rehetra

  • Goatemalà

    • Mpitory 163 tamin’ny voalohany no tsy maintsy nafindra toerana. Efa tafaverina any an-tranony izao ny 85 amin’ireo

    • Fianakaviana 3 no namoy ny fananany rehetra

    • Ankoatra izay, dia fianakaviana 1 misy mpitory 3 no tavela tao amin’ny rihana voalohany tamin’ny tranony, fa avotra ihany avy eo

  • Honduras

    • Mpitory 1 984 tamin’ny voalohany no tsy maintsy nafindra toerana. Ny 376 amin’ireo, fara fahakeliny, no efa tafaverina any an-tranony

  • Jamaika

    • Mpitory 4 no tsy maintsy niala tamin’ny tranony

  • Meksika

    • Mpitory 1 618 tany Chiapas, any Tabasco, no tsy maintsy nafindra toerana. Efa tafaverina any an-tranony izao ny 112 amin’ireo

  • Nikaragoà

    • Mpitory 238 no tsy maintsy nafindra toerana. Efa tafaverina any an-tranony izao ny 232 amin’ireo

  • Panama

    • Mpitory 27 no tsy maintsy nafindra toerana. Efa tafaverina any an-tranony izao ny 6 amin’ireo

  • Etazonia

    • Mpitory 48 no tsy maintsy nafindra toerana. Efa tafaverina any an-tranony izao ny 27 amin’ireo

Zavatra simba

  • Bahamas

    • Trano 1 no simba

  • Costa Rica

    • Trano 3 no rava tanteraka

    • Trano 6 no simba

  • Goatemalà

    • Trano 2 no nihotsahan’ny tany, ka rava tanteraka

  • Honduras

    • Efitrano Fanjakana 7 no nisy simba kely

  • Nikaragoà

    • Trano 73 no simba

  • Nosy Caïman Lehibe

    • Trano 4 no simba

    • Efitrano Fanjakana 1 no nisy simba kely

  • Jamaika

    • Trano 50 no simba

    • Efitrano Fanjakana 1 no simba

  • Etazonia

    • Trano 141 no simba

    • Efitrano Fanjakana 9 no nisy simba kely

Fanampiana tra-boina

  • Nanangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) telo ny sampan’i Amerika Afovoany mba handamina ny fanampiana tra-boina, ka ny roa any Meksika ary ny iray any Honduras. Any amin’ny faritra hafa nandalovan’ilay rivo-doza, dia ny KVRV voatendry hikarakara ny fizarana fanampiana mifandray amin’ny valanaretina COVID-19 ihany no miandraikitra ny fizarana fanampiana ho an’ireo tra-boina tamin’ilay rivo-doza

  • Ao amin’ny faritany iandraiketan’ny sampan’i Etazonia, dia ny fiangonana sy ny KVRV voatendry hikarakara ny fizarana fanampiana mifandray amin’ny valanaretina COVID-19 no miandraikitra ny fanampiana tra-boina

  • Mampahery an’ireo fianakaviana tra-boina amin’ny alalan’ny Baiboly ny mpiandraikitra ny faritra any amin’ireo toerana rehetra ireo

  • Afaka nampiantrano sy nanome sakafo an’ireo tsy maintsy nafindra toerana ny rahalahy sy anabavy any amin’ireo faritra tsy mampidi-doza

  • Manaraka tsara ny fepetra ara-pahasalamana mifandray amin’ny valanaretina COVID-19 ny rahalahy sy anabavy mandray anjara amin’ny fanampiana tra-boina

Na dia nanimba zavatra be aza ilay rivo-doza, dia mampahery ny mahita hoe tena mifanampy ireo mpiara-manompo amintsika. Matoky isika fa ‘ho toy ny tendrombohitra fandosirana amin’izao fotoam-pahoriana izao’ i Jehovah Andriamanitsika.​—Salamo 9:9.