Hijery ny anatiny

2 DESAMBRA 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Nandravarava Tany Kolombia ny Rivo-doza Iota Sady Mbola Nanimba Zavatra Tany Amerika Afovoany sy Meksika

Nandravarava Tany Kolombia ny Rivo-doza Iota Sady Mbola Nanimba Zavatra Tany Amerika Afovoany sy Meksika

Toerana

Amerika Afovoany, Kolombia, Meksika

Zava-nitranga

  • Tamin’ny 15 sy 16 Novambra 2020 ny Rivo-doza Iota no nandravarava tany amin’ny faritra avaratr’i Kolombia, , indrindra fa tany amin’ireo nosy San Andrés sy Providencia, any amin’ny Ranomasina Karaiba. Sokajy fahadimy no misy an’io rivo-doza io

  • Nitondra oram-be io rivo-doza io, ka tondraka ny rano ary nihotsaka ny tany

  • Tafiditra an-tanety tany Nikaragoà ny Rivo-doza Iota, tamin’ny 16 Novambra 2020. Nandalo tany amin’ny faritra hafa any Amerika Afovoany io rivo-doza io, taorian’izay, ka vao mainka nanampy trotraka ny fahavoazana nentin’ny Rivo-doza Eta, tamin’ny fiandohan’iny volana iny ihany

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

Amerika Afovoany

  • Costa Rica

    • Mpitory 22 no tsy maintsy nafindra toerana

  • Goatemalà

    • Mpitory 93 no tsy maintsy nafindra toerana

  • Honduras

    • Mpitory 1 531 no tsy maintsy nafindra toerana

    • Mpitory 2 no naratra kely

  • Nikaragoà

    • Mpitory 75 no tsy maintsy nafindra toerana

  • Panama

    • Mpitory 16 no tsy maintsy nafindra toerana

Kolombia

    • Mpitory 1 any Providencia no tapa-tanana

    • Mpitory 1 any San Andrés no naratra kely

Meksika

    • Mpitory 1 248 any Tabasco sy Veracruz no tsy maintsy nafindra toerana

Zavatra simba

Amerika Afovoany

  • Costa Rica

    • Trano 9 no simba

  • Goatemalà

    • Trano 18 no simba

    • Efitrano Fanjakana 7 no nisy simba kely

    • Efitrano Fanjakana 2 no simba be

  • Honduras

    • Efitrano Fanjakana 7 no nisy simba kely

    • Trano 227 no simba

  • Nikaragoà

    • Trano 106 no simba

    • Efitrano Fanjakana 3 no nisy simba kely

  • Panama

    • Trano 5 no simba

    • Efitrano Fanjakana 2 no simba be

Kolombia

    • Araka ny tatitra voaray hatreto, dia be dia be ny tranona mpiara-manompo any Providencia simba be, ary rava tanteraka ny Efitrano Fanjakana. Mbola sarotra izao ny mifandray amin’ny rahalahy sy anabavy any satria tapaka ny herinaratra sy ny telefaonina

    • Trano 20 sy Efitrano Fanjakana 1 no nisy simba kely, any San Andrés

Meksika

    • Trano 184 no simba

Efitrano Fanjakana any Providencia, any Kolombia, taloha sy taorian’ny Rivo-doza Iota

Fanampiana tra-boina

  • Nanangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) ny Komitin’ny Sampan’i Kolombia mba hanampiana ny mpitory. Miara-miasa ny KVRV sy ny mpiandraikitra ny faritra any an-toerana mba hampaherezana sy hanampiana an’ireo tra-boina

  • Nanendry KVRV efatra ny sampan’i Amerika Afovoany mba hiandraikitra ny fizarana fanampiana ho an’ireo tra-boina tamin’ny Rivo-doza Eta sy Iota, any Amerika Afovoany sy Meksika. Mizara fanampiana ho an’ireo fianakaviana tra-boina ny mpiandraikitra ny faritra sady mampahery azy ireo amin’ny alalan’ny Baiboly. Nanome fanampiana koa ny fiangonana tany an-toerana ka nizara sakafo tao anaty fonosana 400 mahery tamin’ny rahalahy sy anabavy any Honduras sy Nikaragoà. Mipetraka any an-tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny faritra tsy tratran’ny loza ireo rahalahy sy anabavy tsy maintsy nafindra toerana

  • Manaraka tsara ny toromarika momba ny fiarovana amin’ny COVID-19 ireo rahalahy sy anabavy mandray anjara amin’ny fanampiana tra-boina

Na dia miaina ao anatin’ny fotoan-tsarotra eto amin’ity tontolo ity aza ny mpiara-manompo amintsika, anisan’izany ny olana vokatry ny loza araka ny natiora, dia miantehitra tanteraka amin’i Jehovah Andriamanitsika izy ireo, ka mialoka aminy.​—Salamo 142:5.