4 OKTOBRA 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
Nanimba Zavatra Be ny Rivo-doza Ian
Tafiditra an-tanety tany Cuba ny Rivo-doza Ian tamin’ny 27 Septambra 2022. Lasa rivo-doza sokajy fahefatra ilay izy ny ampitson’iny, ary niditra tany amin’ny faritra atsimoandrefan’i Floride. Io no anisan’ny rivo-doza nahery vaika indrindra tany Etazonia satria nahatratra 240 kilaometatra isan’ora ny tafio-drivotra nentiny. Nizotra niadana namakivaky an’i Floride ny Rivo-doza Ian mandra-pivoakany tany amin’ny Oseana Atlantika, ka ravarava daholo izay nolalovany. Tanàna kely iray manontolo mihitsy no rava tany amin’ny toerana sasany. Tapaka koa ny jiro tany amin’ny faritra maro, simba be ny lalana sy ny tetezana, ary nisy faritra midadasika be lasa dibo-drano. Niditra an-tanety tany Caroline Atsimo indray avy eo ilay rivo-doza.
Mpitory 12 000 mahery any Floride no tsy maintsy nafindra toerana, vokatr’io rivo-doza nahafatesana olona be dia be io.
Manome an’izay zavatra maika ilain’ireo tra-boina ny anti-panahy. Manampy an-dry zareo ny mpiandraikitra ny faritra, ka miara-miasa amin’ny solontenan’ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana eo An-toerana.
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Cuba
Mampalahelo fa rahalahy 1 no maty
Rahalahy 2 no naratra kely
Trano 300 no simba kely
Trano 491 no simba be
Trano 63 no rava
Trano 40 fanaovana fivoriana no simba be
Trano 1 fanaovana fivoriambe no simba kely
Trano 3 fanaovana fivoriambe no simba be
Floride
Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty
Mpitory 2 no naratra kely
Mpitory 5 874 izao no mbola tsy afaka miverina any an-tranony
Trano 1 559 no simba kely
Trano 367 no simba be
Trano 47 no rava
Trano 329 hatreto no efa nohamafisina
Trano 71 hatreto no efa namboarina
Trano 38 ampiasain’ny fandaminana no simba kely
Efitrano Fanjakana 1 no simba be
Efitrano Fivoriambe 1 no simba be
Caroline Atsimo
Tsy nisy rahalahy na anabavintsika naratra na maty
Mpitory 35 no tsy maintsy nafindra toerana
Trano 13 no simba kely
Fanampiana tra-boina
Mitsidika sy mampahery an’ireo fianakaviana tra-boina ny anti-panahy sy ny mpiandraikitra ny faritra, sady manome an’izay fanampiana ilain’izy ireo
Nasiana toby vonjimaika 14 any Floride. Natao teny amin’ny lalana andalovan’ireo rahalahy sy anabavy tsy maintsy mifindra toerana izany mba hanampiana azy ireo
Nisy Komitin’ny Vonjy Rano Vaky natsangana tany Floride sy Cuba mba hiandraikitra ny fanampiana tra-boina
Manaraka tsara ny toromarika momba ny fiarovana amin’ny COVID-19 ireo mikarakara fanampiana
Tena manampy an’ireo mpiray finoana aminy ireo rahalahintsika rehefa misy loza. Hita avy amin’izany fa marina ny tenin’ilay mpanao salamo hoe: “Manodidina an’izay matoky an’i Jehovah ... ny fitiavany sy ny tsy fivadihany.”—Salamo 32:10.