Hijery ny anatiny

Ny Biraon’ny Fanaovana Planina any Ramapo nandritra an’ilay fivorian-dry zareo tamin’ny 28 Desambra 2022

9 JANOARY 2023
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Tetikasan’ny Foibe: Ramapo

Nanome Fahazoan-dalana Manokana ny Biraon’ny Fanaovana Planina any Ramapo

Nanome Fahazoan-dalana Manokana ny Biraon’ny Fanaovana Planina any Ramapo

Nanome antsika fahazoan-dalana manokana iray ny Biraon’ny Fanaovana Planina any Ramapo tamin’ny 28 Desambra 2022. a Noho izy io, dia nahazo alalana hanorina eo amin’ilay tany azontsika isika, ka hanangana trano hipetrahana sy trano hatao birao mety tsara. Noho izy io koa, dia azontsika atao ny manapaka ny hazo eo amin’ilay tany alohan’ny haneken’ilay birao ny dingana manaraka amin’ilay tetikasa, izay mety ho azontsika any amin’ny faramparan’ny taona 2023 any. Tsy hitarazoka loatra ny fandroson’ilay tetikasa vokatr’io fahazoan-dalana manokana io.

Izao no nolazain’ny Rahalahy David Soto, izay anisan’ny Komitin’ny Tetikasa Fanorenana: “Tena faly izahay nahazo an’io fahazoan-dalana io! Marina fa mbola misy dingana maromaro tokony hatao vao tena ho afaka hanomboka an’ilay fanorenana isika. Matoky anefa izahay hoe mbola hotahin’i Jehovah foana ny ezaka ataontsika.”

Zava-dehibe nitranga mifandray amin’ilay fanorenana any Ramapo

  1. 5 Oktobra 2019

    Nisy fampandrenesana avy amin’ny Filan-kevi-pitantanana hoe misy toerana vaovao haorina any Ramapo, any New York, dia hatambatra any daholo ny famokarana ny raki-peo sy videon’ny fandaminana

  2. 26 Jona 2020

    Nalefa tany amin’ny Biraon’ny Fanaovana Planina any Ramapo ny fangatahana hanao an’ilay fanorenana

  3. 8 Jolay 2020

    Fivoriana voalohany natao momba an’ilay tetikasa, niaraka tamin’ny Biraon’ny Fanaovana Planina any Ramapo

  4. 31 Martsa 2021

    Nalefa tany amin’ny tompon’andraikitra ny antontan-taratasy mampiseho hoe inona no ho vokatr’ilay tetikasa eo amin’ny tontolo iainana

  5. 8 Martsa 2022

    Neken’ny Biraon’ny Fanaovana Planina ho An’ny Tanànan’i Tuxedo ny hanitarana sy hanovana ny lalana miditra ao amin’ilay tanintsika any Ramapo

  6. 12 Martsa 2022

    Neken’ny tompon’andraikitra ny antontan-taratasy farany mampiseho ny ho vokatr’ilay tetikasa eo amin’ny tontolo iainana

  7. 9 Novambra 2022

    Nanaiky ny Biraon’ny Fanaovana Planina any Ramapo fa azontsika anorenana birao sy trano ilay tany azontsika

  8. 28 Desambra 2022

    Nahazo alalana hanorina trano samihafa eo amin’ilay toerana isika no sady nahazo alalana hanapaka hazo

  9. Mbola miandry

    Fanekena tanteraka an’ilay planina manontolo

a Afaka nangataka fahazoan-dalana manokana sy fanekena an’ilay planina manontolo isika, noho ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Biraon’ny Fanaovana Planina any Ramapo tamin’ny 9 Novambra 2022.