9 AOGOSITRA 2021
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
Nanome Rariny ny Rahalahy Rostom Aslanian ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona
Nahazo alalana hifidy an’izay tiany hinoana ny rahalahy any Transnistria
Nanome rariny ny Rahalahy Rostom Aslanian ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH), tamin’ny 13 Jolay 2021, tamin’ilay raharaha momba an’i Moldavia sy Rosia. Nilaza mantsy ny Rahalahy Aslanian hoe tsy rariny ny nahazo azy rehefa nogadraina tany Transnistria (Repoblikan’i Moldavskaia Pridnestrovskaia) izy satria tsy nanaiky hanao raharaha miaramila noho ny zavatra inoany. Naharesy izy, dia lasa voaro ny zon’izay mifidy ny zavatra tiany hinoana any Transnistria.
Nanao fifanarahana hanara-maso ny fandriampahalemana ao amin’ny faritr’i Transnistria i Rosia, na dia efa fantatra eran-tany aza hoe anisan’ny firenen’i Moldavia i Transnistria. Samy anisan’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ireo firenena roa ireo, dia samy tokony hanaja ny zon’ny olona hanaraka ny feon’ny fieritreretany.
Voantso hanao miaramila ny Rahalahy Aslanian, tamin’ny 2010. Nangataka hanao fanompoana sivily ho solon’ny raharaha miaramila anefa izy, satria tsy nifanaraka tamin’ny zavatra ninoany tao amin’ny Baiboly izany. Nolavina ny fangatahany. Voaheloka indray aza izy dia nigadra herintaona, tamin’ny 29 Martsa 2011. Efa nanefa ny saziny ny Rahalahy Aslanian, fa mbola nalefa tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ihany ilay raharaha.
Nandinika an’ilay fanapahan-kevitra noraisin’ilay fitsarana teo aloha ny CEDH. Hitan-dry zareo hoe tsy nety ny nanagadrana ny Rahalahy Aslanian satria hoe tsy nanaiky hanao miaramila izy noho ny feon’ny fieritreretany. Hitan’ilay Fitsarana Eoropeanina koa hoe lasa nifehy an’i Transnistria tamin’ny lafiny ara-tafika sy ara-toe-karena ary ara-politika i Rosia. Lasa fantatra àry hoe i Rosia no tena nahatonga ny zavatra rehetra nitranga fa tsy i Moldavia. Nilaza ny CEDH tamin’ny farany fa tsy nanaja ny zon’ny Rahalahy Aslanian hifidy ny zavatra ninoany ny manam-pahefana rehefa nanagadra azy herintaona. Nasaina nandoa onitra taminy koa ny manam-pahefana rosianina noho ry zareo nanagadra azy herintaona.
Faly isika fa lasa voaro ara-dalàna ny rahalahintsika any Transnistria noho iny didim-pitsarana iny. Nahazo toky indray isika hoe tia sy miahy ny vahoakany i Jehovah sady tsy mivadika amin’izy ireo, rehefa miatrika fanenjehana izy ireo.—Salamo 18:25.