Hijery ny anatiny

17 JONA 2021
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Navoaka Tamin’ny Teny Tajiki ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoaka Tamin’ny Teny Tajiki ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Ny Rahalahy Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana no namoaka Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny teny tajiki, tamin’ny 13 Jona 2021. Navoaka tamin’ny endriny elektronika ilay Baiboly nandritra ny fandaharana iray noraisina video mialoha.

Mombamomba An’ilay Tetikasa

  • Olona 14 tapitrisa eo ho eo no miteny tajiki, ary manodidina ny 5 tapitrisa amin’izy ireo no mipetraka any Tadjikistan

  • Mpandika teny avy any amin’ny tany maromaro no namita an’ilay tetikasa nandritra ny 4 taona teo ho eo.

Nilaza ny iray tamin’ilay mpandika-teny hoe: “Ho mora kely amin’ny mpamaky ny hahazo ny hevitra sy hahazo an’izay tokony hampiharina ato amin’ity Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ity. Azo antoka hoe hanampy ny rehetra ho lasa akaiky an’i Jehovah, ilay nampanoratra ny Baiboly, izy ity.”​—Jakoba 4:8.