14 SEPTAMBRA 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
Niverina Nitory Isan-trano ny Vavolombelon’i Jehovah
Efa tsy andrin’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany ilay hoe hiverina hitory isan-trano tamin’ny 1 Septambra 2022. Ny fitoriana isan-trano no tena hahalalana azy ireo. Vao mainka tsy andrin’izy ireo ilay izy tamin’io volana io satria niampy ezaka manokana hanombohana fampianarana Baiboly koa. Nisy tamin’ny mpiara-manompo niverina nanao an’ilay fanompoana efa fanaony sady tena tiany, fa ny sasany indray sambany vao nitory ny hafatra ara-baiboly nivantana tamin’ny mpiara-monina taminy. Ireto misy fitantarana maromaro mampiseho hoe tena niavaka be ny fanombohan’ny taom-panompoana 2023.
Alemaina
Nitory tamin’ny tranobe iray ny anabavy roa atao hoe Nicole sy Tina ny 2 Septambra 2022. Avy any Petershagen any Rhénanie-du-Nord-Westphalie ry zareo. Tsy nahita olona mihitsy ry zareo. Rehefa handeha anefa ry zareo dia naheno vehivavy niantsoantso. Nilaza ilay vehivavy hoe tsy afaka namoha trano izy tamin-dry zareo nandondòna, dia niangavy azy ireo ilay vehivavy mba hiverina dia hitory aminy. Rehefa niditra tao amin’ny tranon’ilay vehivavy izy roa vavy dia nahita Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao teo ambony latabatra. Hita amin’ny paozin’ilay Baiboly hoe nampiasaina matetika ilay izy. Nanazava ilay vehivavy hoe tamin’izy nipetraka tany Italia no nahazoany an’ilay Baiboly, telo taona lasa talohan’izay. Tsy tafaresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah intsony izy rehefa nifindra tany Alemaina nandritra an’ilay valanaretina. Nifanome nomerao tamin’ilay vehivavy izy roa vavy, dia nanasa azy hivory. Roa andro taorian’izay dia tonga nanatrika fivoriana niaraka tamin’ny zanany roa ilay vehivavy. Nifanao fotoana tamin’ilay vehivavy ny mpitory mba hampianarana Baiboly azy.
Goatemalà
Mpisava lalana manokana any amin’ny faritany miteny mam i Manuel sy Karol Gastelum. Nitory tamina vehivavy nahafinaritra be izay ry zareo dia nampandrosoan’ilay vehivavy tao an-tranony. Tsy nahafantatra ilay vehivavy hoe manana anarana Andriamanitra, dia niara-nidinika ny lesona 4 hoe “Iza Ilay Tena Andriamanitra?” tao amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! izy ireo. Gaga be ilay vehivavy nahita ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, rehefa namaky ny Isaia 42:8 tao amin’ny Baiboliny.
Nitomany ilay vehivavy sady niteny hoe hay tsy ampy fotsiny ny manana Baiboly fa mila mianatra ny zavatra voaresaka ao koa izy, dia amin’izay mba afaka mankatò izay voalaza ao. Nahafaly azy ilay fianarana rehefa vita ilay lesona. Niteny izy hoe horesahiny amin’ny vadiny ny zavatra nianarany. Nifanao fotoana taminy izy mivady mba ho afaka hitsidika azy indray.
Japon
Rehefa nanompo ny Rahalahy sy Ranabavy Nukamori, tany Yokohama, dia sendra trano iray misy telefaonina eo am-bavahady. Nisy vehivavy namaly, dia niarahaba an-dry zareo. Nilaza ny anarany tamin’ilay tompon-trano izy mivady, dia niteny hoe Vavolombelon’i Jehovah ry zareo. Nasain’ilay vehivavy niandry kely tao am-bavahady ry zareo. Rehefa afaka kelikely dia namoha vavahady izy dia niteny hoe: “Efa ela aho no niandry Vavolombelon’i Jehovah.”
Nilaza ilay vehivavy hoe efa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy tamin’izy tany Nagasaki. Nifindra tany Yokohama izy nandritra an’ilay valanaretina dia nanohy nianatra tamin’ny Zoom. Vao nanomboka ny herinandro, dia niteny azy ilay mpampianatra Baiboly azy hoe: “Hisy ezaka manokana amin’ny Septambra, dia mino aho fa tsy maintsy hisy Vavolombelon’i Jehovah hitsidika anao izao. Mangataha hianatra Baiboly mivantana amin’izay olona tonga ao.” Sady faly ilay vehivavy no gaga hoe vetivety kely dia efa nisy Vavolombelona tonga. Niteny ilay vehivavy hoe te handeha hivory izy. Nanao fotoana tamin’izy mivady koa izy mba hianatra Baiboly.
Meksika
Rehefa nanasa vehivavy iray hianatra Baiboly ny mpivady iray, dia namaly ilay vehivavy hoe efa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy sady efa nandeha nivory mihitsy aza taona maro lasa izay. Tsy tafaresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah intsony izy sady menatra be hitady mpitory satria tsy nifanaraka tamin’ny toro lalan’ny Baiboly ny fiainany. Rehefa avy niteny an’izany izy dia nitomany. Novakin’izy mivady taminy ny Salamo 10:17 dia nohazavain-dry zareo taminy hoe tsy nafoin’i Jehovah izy. Nidera azy koa izy mivady satria naniry hanaraka ny fitsipik’i Jehovah izy. Nanaiky hiverina hianatra Baiboly izy dia niteny hoe mba maniry hianatra bebe kokoa momba ny Baiboly koa ny zanany lahy 16 taona.
Rehefa niverina nitsidika azy izy mivady ny ampitson’iny, dia efa niandry an-dry zareo tao izy mianaka. Nasain’izy mivady hanatrika fivoriana ry zareo rehefa avy nianatra ny lesona 1 tamin’ny bokikely Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!, dia tonga ry zareo. Mieritreritra hanohy hianatra Baiboly sy hivory foana izy mianaka.
Porto Rico
Nivavaka i Ramon mba hahita olona azony itoriana tamin’ilay andro niverenany nitory isan-trano. Rehefa nandondòna teo amin’ny trano voalohany nitoriany izy, dia nisy vehivavy tao. Nosokafan’ilay vehivavy kely fotsiny ny varavarana dia nojereny i Ramon. Niarahaba azy i Ramon dia nilaza ny anarany. Vao hanomboka hitory izy dia niteny ilay vehivavy hoe: “Raha mba fantatrao mantsy fa efa ela no niandrasako an’izao fotoana izao. Nivavaka aho mba hisy Vavolombelon’i Jehovah hitsidika ahy.”
Nilaza ilay vehivavy hoe nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy taona vitsivitsy lasa izay, sady efa nanatrika fivoriana koa. Nifindra anefa izy dia tsy nihaona tamin’ny Vavolombelona intsony. Nohazavain’ny Ramon taminy hoe tsy nitory isan-trano ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra an’ilay valanaretina. Namaky ny Salamo 37:29 izy dia avy eo nanazava ny fampianarana Baiboly ataontsika. Nazoto hianatra Baiboly izy. Naniraka anabavy hitsidika azy i Ramon.
Taorian’iny toe-javatra iny dia niteny i Ramon hoe: “Tena mitarika antsika ho any amin’ny olona liana i Jehovah sy ny anjely.”
Etazonia
Rehefa handeha hitory tao amin’ny trano iray tany Kentucky i Katelyn Thompson, dia tsikariny hoe nisy andinin-teny teo amin’ny boaty fasiana taratasin’ilay olona. Nisy soratra kely koa teo an-jaridaina hoe: “Tia Anao i Jesosy.” Rehefa nandondòna teo am-baravarana izy dia nisy nandray. Nilaza ny anarany i Katelyn dia nanazava hoe tsy afaka nitsidika nivantana ny mpiara-monina taminy ny Vavolombelon’i Jehovah satria nisy an’ilay valanaretina COVID-19. Nilaza koa izy hoe nanoratra taratasy sy niantso an-telefaonina ny Vavolombelon’i Jehovah mba hampaherezana ny hafa. Nanontany ny fahasalaman’ilay vehivavy sy ny fianakaviany koa i Katelyn. Niteny ilay vehivavy hoe maty ny dadany nandritra ny valanaretina. Nilaza koa ilay vehivavy hoe: “Naharay taratasy tany aminareo aho, dia tsapako tamin’izay hoe tena nanome ny zavatra nilaiko tamin’ny fotoana mety mihitsy Andriamanitra.” Niara-ory tamin’ilay vehivavy i Katelyn, dia avy eo niara-nidinika taminy an’ilay lesona 2 tamin’ilay bokikely Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Namaky ny andinin-teny tao amin’ilay lesona ry zareo dia niresaka momba ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Nitomany ilay vehivavy. Niteny izy hoe feno herintaona tamin’io andro nitsidihan’i Katelyn azy io mihitsy ny nahafatesan’ny dadany. Nomen’ilay vehivavy an’i Katelyn ny nomerao telefaoniny dia nanaiky hotsidihina indray izy amin’ny manaraka. Naharay hafatra an-telefaonina i Katelyn tsy ela taorian’izay hoe: “Misaotra betsaka fa tena nilaiko be iny fampaherezana androany iny.”
Tsy hisalasalana mihitsy hoe tena notahin’i Jehovah isika rehefa niverina nitory isan-trano sy nanao an’ilay ezaka manokana hanombohana fampianarana Baiboly. Tsy andrintsika ny haheno ny vokatr’izy ireny.—Jaona 4:35.
Bahamas
Cameroun
Panama
Philippines
Korea Atsimo
Etazonia