Hijery ny anatiny

Nivory tany amin’ny toerana maro tany Eoropa ny rahalahy sy anabavy ary faly erỳ fa nivoaka ny bokin’i Matio amin’ny teny kurde kurmanji sy ny kurde kurmanji (Caucase)

11 JOLAY 2023
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Nivoaka Tamin’ny Teny Kurde Kurmanji sy Kurde Kurmanji (Caucase) ny Bokin’i Matio

Nivoaka Tamin’ny Teny Kurde Kurmanji sy Kurde Kurmanji (Caucase) ny Bokin’i Matio

Nivoaka tamin’ny fiteny kurde anankiroa Ny Baiboly: Ny Vaovao Tsara Nosoratan’i Matio, tamin’ny 2 Jolay 2023. Navoaka tany Alemaina ny tamin’ny teny kurde kurmanji, ary navoaka tany Géorgie kosa ny tamin’ny teny kurde kurmanji (Caucase). Nisy 750 teo ho eo ny mpanatrika tamin’ireo fandaharana ireo.

Kurde Kurmanji

Ny Rahalahy Dirk Ciupek, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Eoropa Afovoany, no namoaka ny bokin’i Matio tamin’ny teny kurde kurmanji. Tamin’ilay fandaharana natao tao amin’ny biraon’ny sampan’i Eoropa Afovoany, any Selters, Alemaina, ilay izy no navoaka. Nahazo boky vita pirinty tamin’izy io ny mpanatrika, ary efa navoaka tamin’ny endrika elektronika koa ilay izy.

Kurde Kurmanji (Caucase)

Ny Rahalahy Levani Kopaliani, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Géorgie, no namoaka ny bokin’i Matio tamin’ny teny kurde kurmanji (Caucase), nandritra an’ilay fandaharana natao tany Tbilissi, any Géorgie. Nanaraka an’ilay izy tamin’ny vidéoconférence ny rahalahy sy anabavy avy any Aparan sy Armavir, ary Yerevan, any Armenia. Nahazo boky vita pirinty tamin’izy io ny mpanatrika, ary efa navoaka tamin’ny endrika elektronika koa ilay izy.

Mitovy ny teny kurde kurmanji sy ny kurde kurmanji (Caucase), saingy misy tsy itovizany eo amin’ny fitsipi-pitenenana sy ny firafitry ny fehezan-teny. Mitovy koa ny fomba fanoratra ny teny sasany amin’ireo fiteny ireo fa ny heviny no tsy mitovy. Niara-niasa tsara àry ny mpandika teny ho an’ireo fiteny roa ireo, tamin’ny nandika ny bokin’i Matio ho an’ny fiteniny avy. Niresaka ny soa ho azo avy amin’io boky vaovao io ny mpandika teny iray, ka hoy izy: “Betsaka ny Kurde mangetaheta ny fahamarinana. Dia hahatsiaro ho velombelona izy ireny rehefa mahazo an’ity fandikan-teny vaovao ity, hoatran’ny hoe avy nisotro rano eran’ny vera.”

Misaotra an’i Jehovah sy midera azy isika, hoatran’ireo rahalahy sy anabavy miteny kurde kurmanji sy ny kurde kurmanji (Caucase), satria manao zavatra i Jehovah mba ho betsaka kokoa ny olona mahafantatra azy.​—Matio 5:3.