14 OKTOBRA 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
Nivoaka Tamin’ny Teny Samoanina ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Nohavaozina
Nivoaka tamin’ny 9 Oktobra 2022 ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina, tamin’ny teny samoanina. Ny Rahalahy Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny namoahana an’ilay Baiboly. Efa noraisina video mialoha ilay izy dia nalefa hojeren’ny mpitory tany Samoa Amerikanina, Aostralia, Nouvelle-Zélande, ary Samoa. Vao vita ilay lahateny dia efa nozaraina tamin’ny mpanatrika ny Baiboly vita pirinty, ary efa azo nalaina ilay izy amin’ny endriny elektronika.
Tamin’ny 1931 no nanomboka nitory tany Samoa ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tamin’ny 1953 no nanomboka nisy fiangonana voalohany tany Apia. Tamin’ny 2009 indray ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao no nivoaka voalohany. Faly be daholo na ny Vavolombelon’i Jehovah na ny olon-kafa nahazo an’io Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao io, tamin’izany. Marina tsara mantsy ny fomba nandikana azy, nefa koa afaka ny hanana an’ilay izy izay te hanana.
Betsaka kokoa ny ezaka natao tamin’ity fandikan-teny nohavaozina ity. Niezaka be mantsy ny mpandika teny mba hampiasa teny maoderina, mora azo sy mora vakina, nefa koa marina tsara. Hozy ny mpandika teny iray: “Tena manaja Baiboly ny Samoanina. Sady nitadidy an’izany àry ny mpandika teny no niezaka nampiasa teny tsotra sy mora azo, kanefa tsy hoe fiteny tsy mihaja. Manana ny Baiboly iray manontolo nohavaozina amin’ny teny samoanina àry izahay izao noho ny fanampian’i Jehovah, ary tena handray soa amin’io ny olon-drehetra.”
Mino isika fa vao mainka hanampy ny mpamaky hahazo ny hevitr’i Jehovah Andriamanitsika, izay tena sarobidy, io fandikan-teny io.—Salamo 139:17.