Hijery ny anatiny

Betsaka ny asa mila atao vao ho azo atomboka ny fanorenana any Ramapo, fa santionany fotsiny ilay hoe manala hazo

8 NOVAMBRA 2024
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Tetikasan’ny Foibe any Ramapo

Nivoaka ny Fahazoan-dalana Hanomboka Asa Be any Ramapo

Nivoaka ny Fahazoan-dalana Hanomboka Asa Be any Ramapo

Nosoniavin’ny Tompon’andraikitry ny Fanajariana ny Tanànan’i Ramapo, tamin’ny 6 Novambra 2024, ny taratasy fanomezan-dalana ho an’ny planin’ny fanorenana hataontsika any Ramapo. Midika izany hoe efa misy asa be azo atomboka.

Hoatr’izao ny tranobe misy ny birao any Ramapo rehefa vita

Neken’ny Tompon’andraikitry ny Fanajariana ny Tanàna ny planina sasany amin’ilay tetikasa, tamin’ny Jona 2023. Efa nahazo alalana hanao zavatra maromaro isika teo aloha, tafiditra amin’izany ny fanesorana hazo. Ity fahazoan-dalana ity kosa no ahafahantsika manomboka asa lehibe sasany, ohatra hoe manorina ny fidirana sy manapoaka vato mba hanaovana fototra. Hanaraka eo ihany ny asa lehibe hafa, toy ny fametrahana ny fantson-drano any ambanin’ny tany.

Hoy ny Rahalahy Kevin Page, anisan’ny Komitin’ny Tetikasa Fanorenana: “Tena faly isika nahazo an’ilay fahazoan-dalana! Hitanay mihitsy, isaky ny nisy fivoarana ilay tetikasa, hoe nitahy anay i Jehovah satria nanam-paharetana sy niasa mafy izahay. Misaotra azy isika amin’ilay fahazoan-dalana dia mivavaka mba hotahiny ity dingana manaraka ity.”

Mientanentana erỳ isika Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany satria efa azo atomboka ny fanorenana any Ramapo! Mivavaka isika mba hotahin’i Jehovah io tetikasa io sy izay rehetra mandray anjara amin’izany.​—Hagay 1:14.