Hijery ny anatiny

Rahalahy Viktor Stashevskiy

30 MARTSA 2021
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Nomelohin’ny Fitsarana any Crimée Higadra Enin-taona sy Tapany ny Rahalahy Viktor Stashevskiy

Nomelohin’ny Fitsarana any Crimée Higadra Enin-taona sy Tapany ny Rahalahy Viktor Stashevskiy

VAOVAO FARANY: Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fangatahana Nataon’ny Rahalahy Stashevskiy Rehefa Nampakatra Fitsarana Izy

Nolavin’ny Fitsarana any Sébastopol, tamin’ny 10 Aogositra 2021, ny fangatahana nataon’i Viktor rehefa nampakatra fitsarana izy. Hampiharina amin’izay izao ny sazy nomena azy tamin’ny voalohany, dia ilay hoe migadra enin-taona sy tapany. Mbola notanana am-ponja vonjimaika izy hatramin’ny nanamelohana azy tamin’ny 29 Martsa 2021, ary tsy ho ela izy dia hafindra any am-ponja.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Gagarinskiy any Sébastopol, any Crimée, higadra enin-taona sy tapany ny Rahalahy Viktor Stashevskiy, tamin’ny 29 Martsa 2021. Tonga dia nentin-dry zareo i Viktor dia notanana am-ponja vonjimaika. Hampakatra fitsarana izy.

Ilay voampanga

Viktor Stashevskiy

  • Teraka: 1966 (tany Kansk, Faritanin’i Krasnoïarsk, any Rosia)

  • Mombamomba azy: Nifindra tany Sébastopol, any Crimée, izy tamin’ny 1983. Niasa tao amin’ny tafika an-dranomasina izy fa efa nisotro ronono tamin’ny 1993. Nanambady an’i Larisa, tamin’ny 2002. Manan-janaka roa vavy. Efa nahavariana azy hatramin’izay ny kintana sy ny planeta, satria be pitsiny ilay izy sady milamina be. Izany no nahatonga azy lasa te hahafantatra an’ilay Mpamorona. Vao mainka nisy dikany ny fiainany rehefa nianatra Baiboly izy. Natao batisa dia lasa Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 2004

Mombamomba an’ilay raharaha

Nisava tranona Vavolombelon’i Jehovah folo tany Sébastopol ny polisin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB), tamin’ny 4 Jona 2019. Efa ho adiny efatra ry zareo no nisava ny trano sasany. Tsy navelan’ireo polisin’ny FSB ireo hisotro rano na hampiasa kabine ny rahalahintsika sy ny fianakaviany nandritra an’ilay fisavana. Nampitahorin’ireo polisy ireo ny rahalahintsika, dia norahonany hoe hopotehiny ny fananany. Nasiany zava-mahadomelina an-tsokosoko koa tao an-tranon-dry zareo mba hahafahany manameloka an-dry zareo.

Nosamborina àry ny Rahalahy Viktor Stashevskiy taorianan’ilay fisavana, dia notanana am-ponja indray alina. Nampangaina hoe “sefon’ny fikambanana mampidi-doza” izy. Noho ny zavatra inoany anefa, raha ny marina, no antony hitsarana azy, ary tena tsy fanajana ny zony mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana izany.

Nilaza i Viktor fa efa zatra namaky Baiboly sy nisaintsaina izy, dia izay no nanampy azy tsy hatahotra sy ho falifaly na dia niaritra ny mafy azy. Ilay tenin’i Davida Mpanjaka ao amin’ny Salamo 62:5-8 no tena nampahery azy indrindra. Hozy i Viktor rehefa niaritra an’izany zava-tsarotra rehetra izany: “Vao mainka aho mifandray be amin’i Jehovah satria teo akaikiko teo foana izy. Izy aza no lasa akaiky indrindra an’ahy noho ny olon-kafa rehetra. Tsy nisalasala mihitsy aho fa natoky tanteraka hoe hitan’i Jehovah ny adin-tsaiko sy ilay izaho tsy te hivadika aminy. Haiko hoe tsy maintsy hiaro an’ahy izy amin’ny fotoana mety, ary hanao an’izany izy noho ny anarany be voninahitra.”

Fantatsika fa hanohana sy hitahy an’i Viktor sy ny fianakaviany ary ny rahalahy sy anabavy rehetra enjehina i Jehovah. Mbola ho fialofana sy manda fiarovana ho azy ireo foana i Jehovah.​—Salamo 91:2.