Hijery ny anatiny

Rahalahy Igor Shmidt

25 OKTOBRA 2021
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Nomelohin’ny Fitsaran’i Crimée ny Rahalahy Igor Shmidt

Nomelohin’ny Fitsaran’i Crimée ny Rahalahy Igor Shmidt

VAOVAO FARANY | Nolavin’ny Fitsaran’i Crimée ny Fampakarana Fitsarana Ambony

Nolavin’ny Fitsaran’i Sébastopol ny fampakarana fitsarana ambony nataon’ny Rahalahy Igor Shmidt, tamin’ny 13 Janoary 2022. Mbola migadra izy izao.

Zava-nitranga

  1. Namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Gagarinskiy any Sébastopol, any amin’ny Repoblikan’i Crimée, tamin’ny 22 Oktobra 2021 hoe voaheloka higadra enin-taona i Igor.

  2. 22 Aprily 2021

    Nanomboka ny fitsarana

  3. 23 Martsa 2021

    Nafahana avy tany am-ponja i Igor ary nambenana tao an-tranony

  4. 1 Oktobra 2020

    Nampangaina ho mandamina ny asan’ny fivavahana voarara i Igor ka notanana roa andro tany am-ponja. Nafindra fonja izy avy eo

Ilay voampanga

Matoky isika hoe hotahin’i Jehovah foana ireo rahalahy sy anabavintsika any Rosia, ary hankasitraka azy ireo izy.​—Salamo 5:12.